Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 14h47
 

Malagasy

Grevin’ny mpiasan’ny JIRAMA

Mitombo miandalana ny fitakiana

mercredi 20 août 2008 | Naivo kely

Manomboka anio no voalaza fa hitokonan’ny mpiasan’ny Jirama manerana ny nosy indray. Fitakiana izay niainga teo amin’ny lafiny sosialy, nefa tsy nahitana vaha-olana. Nisy ny dinika niarahan’ny mpampiasa sy ny mpiasa, saingy io nametraka 48 ora io indray ny sendikan’ny mpiasa hanaovana ny fitokonana.
Mahatratra 35 no isan’ireo fitakian’izy ireo. Isan’io ny hamerenana amin’ny laoniny ny karaman’ny mpiasa izay notapahan’ny mpampiasa nandritra ny grevy farany teo. Ny tsy hamindrana toerana ireo mpiasa efa amperin’asa. Ny hampiharana ny zo sendikaly, sy ny fampiakarana ny tambin-karama ho an’ny mpiasa. Ampahan’ny fitakiana ireo.

Ny mpampiasa kosa etsy ankilany, dia mametraka ny fitsipika anatiny mifehy ny orinasa. Na dia efa nisy aza ilay sava-ranonando natao, dia io fanapahana karama ho an’ireo nitokona no hita. Mihenjan-dro ny tady hatreto, ary tsy mbola hita ny marimaritra iraisana. Mandia fotoan-tsarotra noho izany ny mpanjifa, satria izy ireo no zary manao ny asan’ny Jirama. Sady maka ny taratasin-jiro sy rano lany, no mandeha mandoa ny vola any amin’ny JIRAMA. Ny faktioran’ny jiro sy rano amin’io, dia hita niakatra hatrany amin’ny 20%. Nisy tamin’ireo mpiasa ihany koa no nangataka ny hanaovana ny grevy amin’ny zoma, saingy ny anio ihany aloha no masaka tamin’ireto mpiasa ireto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS