Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 15h37
 

Malagasy

Fotoam-bavaky ny FJKM

Voazarazaran’ny politika ny mpino

mardi 11 novembre 2008 | Naivo kely

Vory lanona ny mpino FJKM teny Mahamasina ny alahady lasa teo. Niombom-bavaka momba ny faha-40 taona nijoroan’ity finoana FJKM teto Madagasikara.

Nandritra ny laha-teny nataon’ny filohan’ny FJKM, Lala Rasendrahasina no nanamafisany ny andraikitry ny fiangonana momba ilay rafim-pampianarana vaovao nampetraky ny fanjakana. Mifanohitra tanteraka amin’ny fomba fijerin’ny fiangonana Katolika tanteraka ny kabary izay niseho ny alahady sy ny fotoam-pivavahana nataon’ny katolika andro vitsy lasa izay teo Mahamasina ihany. Tsapa hatreto, fa voazarazaran’ny politika ny mpino, raha mandre ireny kabary isan-karazany ireny. Maro no mametraka fanontaniana hoe hatraiza no mbola mety hifandraisan’ny fiangonana ao amin’ny FFKM ? Mazàna mantsy dia misy ny fanehoan-kevitra iraisan’izy ireo, saingy mbola hitoetra ve izany amin’izao fomba fijery samy hafa izao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS