Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 23h23
 

Malagasy

Loa-bary an-dasy

Hanomboka rahampitso

lundi 17 novembre 2008 | Naivo kely

Hifantoka eny Iavoloha indray ny mason’ny mpanara-baovao manomboka rahampitso talata. Herinandro be izao no hanaovana ilay loa-bary an-dasy handinihana ny fizotra ny asa amin’ny fanatanterahina ny MAP nandritra ny taona 2007.

Manana andraikitra goavana amin’io ireo olom-boatendry sy tompon’andraiki-panjakana maro samy hafa. Inona no vita, ary inona no tsy mbola hefa ? Hamaritra izany no tanjona amin’ity fihaonana eny Iavoloha ity, ary handray anjara amin’io ihany koa ireo mpamatsy vola mahazatra sy ny mpiara-miombona antoka amintsika.

Nasaina manokana ihany koa ny mpanohitra tsy mitovy fomba fijery amin’ny mpitondra, mba hanehoan’izy ireo ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena. Misy loha-hevitra isan’andro amin’ity fihaonana ity, fa ny andrasan’ny maro dia ny hoe inona ny fepetra ho an’ireo tsy nahavita ny asany antsakany sy andavany ? Ny azo antoka aloha dia hirarakompana ny asa hambara fa vitan’ireo ambaratongam-pahefana isan-karazany ireo, mba hilazana fa tena nahavita be teo amin’ny fanatanterahina ny MAP izy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS