Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 16h59
 

Teny zato, kabary arivo

Voadingana ny TGV

mercredi 26 novembre 2008 | Naivo kely

Lany olo-manga ve ny TGV ka olona avy amin’ny antoko hafa no nalainy hiara-miasa amin’ingahy Ben’ny tanàna ? Raha vao nandray ny toerana maha-Ben’ny tanàna i Andry Rajoelina, dia vitsy tamin’ireo tazana niaraka taminy tamin’ny fifidianana no nahazo toerana. Saika olona efa nipirina tany amin’ny nisy azy avokoa no tazana nandrafitra ny teo amin’ny kaominina folo volana lasa izay.

Dia gaga ny rehetra hoe lany olo-manga angaha ny Tanora Gasy Vonona no ireo olona tsy niray petsapetsa nampiakatra azy tamin’ny toerana no miravaka ny vangy ? Hifarana ity ny taona no nanova ny ekipa miaraka aminy indray ny Ben’ny tanàna. Fahasahiana goavana izany, satria tsy misy olombelona tonga lafatra. Nahazo toerana i Ny Hasina Andriamanjato sy Elia Ravelomanantsoa. Tanora vonona sahy manao fanamby amin’ny fampandrosoana ny tanàna miaraka amin’ny andry TGV. Hitsara azy ireo ny vahoaka manomboka izao. Olona fanta-bahoaka teo amin’ny sehatra maro izy mianadahy ireo, izay azo antoka fa hifameno amin’ingahy Ben’ny tanàna. Tsara ho an’ny hafa, fa mety ho ratsy ho an’ny sasany. Ny antony, dia tsy azo lavina ny mety hisian’ny fijery politika avy hatrany. Tsy hilaozan’ny hevitra hanambara fa manomana ny fifidianana amin’ny 2012 izy ireo. Izay ve no marina ? Ny andrasana aloha hatreto, dia ny ho fiovan’ny tanàna, satria izay no maika. Manana fahaiza-manaony ireto olona ireto matoa nariana ny akoho taman-trano tao amin’ny kaominina, ka nosoloina ny akanga tsara soratra. Voadingana ihany koa ny TGV maro, saingy ho reharehan’izy ireo ny asa ho vitan’ireto olom-baovao vao nantsoina ireto. Ny AVI sy ny AKFM Fanavaozana, ary ny Madagasikarantsika izany ireo mpanao politika anilan’i Andry TGV. Mbola misy hafa ve sa izay ihany ? Mety hisy hilaza mantsy hoe io ary ilay nolazaina fa feno mpanao politika ao ambadiky ity Ben’ny tanàna ity. Inona no maharatsy izany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS