Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 17h19
 

Teny zato, kabary arivo

Tompony mangataka ny atiny

vendredi 14 novembre 2008 | Naivo kely

Ny taona ho avy io no hanomboka ny fanondranan’ireo goaibe mpindrandraka ny harena ankibon’ny tany toy ny fasy mainty ho any ivelany. Ny orin’asa QMM no nahazo ny tsenan’ny fitrandrahana, ary voalaza fa voafehy tsara ny fifanarahana na ny an’ny fanjakana foibe na ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana.

Namboarina ny seranan-tsambo ao Tolagnaro afahan’ireo sambo mitaona ny vokatra. Nanamboarana trano vaovao ny mpiasa. Napetraka ny fiarovana ny tontolo iainana, ary voafehy tsara ny fiarovana ny zon’olombelona. Tsara ireo, fa aoka kosa ambara mazava amin’ny vahoaka ny tena marina. Fantatra fa 100 tapitrisa dolara isan-taona ny vola hiditra amin’ny fanjakana Mlagasy. Ny an’ireo vahiny kosa, dia 7 miliara dolara isan-taona. Isika rehetra no manao ny kajikajy. Mandritra ny 50 taona ny fifanarahana amin’ireto vahiny ahafahany mitrandraka ny harena eto. Mby aiza amin’io ny tena tombontsoa ho an’ny Malagasy ? Sa rehefa misy « vaza mihetsika » dia efa basy araky ny fomba fiteny ? Mba misy orin’asa Malagasy mitrandraka ny harena vahiny ve any ivelany any, ka toy izao fifanarahana eto izany no hatrehany any ? Isika rehetra no mandinika, fa ny fiotazana ny vokatra ataon’ny vahiny ity efa hanomboka afaka roa volana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS