Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 21h23
 

Teny zato, kabary arivo

Mila savony

samedi 22 novembre 2008 |  965 visites  | Naivo kely

Tsy misy mpandraharaha iray tsy mikolay eto amin’ny tanàna. Manahy ny ho avin’ny orinasa Malagasy izy ireo noho ny tsy fisian’ny fiarovana azy ireo mivantana, ka hanjakan’ny entana vahiny ny tanàna.

Isan’ny naneho ny tsy hafaliany ny avy eo anivon’ny savonnerie tricale ny alakamisy teo. Famotehana ny orinasa Malagasy no hita eto, na dia hambara aza fa omena ny sehatra sahaza azy ireo mpandraharaha eto amin’ny tanana. Inona no tena marina hoy ny mpitazana, satria ny mpitondra, dia ny manambara omnieny, fa hampetraka amin’ny sahaza azy ny mpandraharaha Malagasy ? Tsy ny orinasa mpanao savony iray etsy Ankorondrano ihany no mitaraina, fa maro. Iza izao no niafaran’ny orinasa iray mpamokatra lafarinina eto ? Toy izany koa ny orinasa mpanao taratasy sy kahie lehibe iray teny Ambohimanambola ? Marina fa misy ny ezaka famelomana ireo orinasa Malagasy toan’ny SIRAMA sy ny JIRAMA, ary ny Air Madagasikara, saingy tokony hisy fikaonan-doha manokana ny fijerena azy ireny. Ain-dehiben’ny firenena ny mpandraharaha, ka mila savony isika eto hanadiovana ny fomba fiasa, mba tsy ny vahiny hatrany no ahazo laka eto. Misy ny loabary an-dasy eny Iavoloha, izay hanomezana sehatra ny hery rehetra. Moa ve mba ho tafita ao anatin’io ny hetahetan’ny mpandraharaha eto amin’ny tanana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS