Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 09h01
 

Teny zato, kabary arivo

Mandehandeha mahita raha

mardi 11 novembre 2008 | Naivo kely

Tonga dia lasa. Tsy mitambona mihitsy ny filoha Ravalomanana, mitady izay hambarany fa ahasoa ny vahoaka Malagasy. Tsara ny dia. Io hatrany no hambarany isaky ny tonga avy mitety firenena izay notsidihany izy. Fifanarahana ara-barotra sy ny fampahafantarana ny kolontsain’ny firenena. Fikarohana tsena afahana mamatsy rano fisotro madio, na herinaratra. Heno hatrany izany amin’ny tatitra ataon’ny filoha.

Mandehandeha tokoa mahita raha hoy ny fomba fiteny izay. Ny « Force One » aza voalaza fa tsy maharaka ny asa tokony ho ataony, ka mety hisy ny fanovana ity fiaramanidina manokan’ny filoham-pirenena ity. Raha ny fahitana ireo asa nataon’ny filoha ireo anefa, dia azo hambara fa asa vitan’ireo minisitra ao anaty Governemanta tsara. Ny mahagaga anefa, dia ny filoha mihitsy no mandray an-tanana ny raharaha. Midika ve ireo, fa tsy manana traikefa amin’ny fahaiza-mandresy lahatra mpanam-bola ireto minisitra ireto ? Fiaramanidina tahaky ny ahoana ihany koa ny mety aharaka ny dian’ny filoha Malagasy ? Sa ity « Force One » ity hosolona « MIG » satria ireny no haingam-pandeha tsara ? Ireo dia saika resaka nandeha teny rehetra teny omaly, saingy tsy atao tora-po anefa ny fanehoan-kevitra, ka ho hita eo ihany ny tena marina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS