Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h50
 

Teny zato, kabary arivo

Hiatrika ny safidim-bahoaka

mardi 18 novembre 2008 | Naivo kely

Anio no ho tsarain’ny vahoaka ny asa vitan’ireo olom-panjakana maro eto amintsika. Ao anatin’ilay loabary an-dasy etsy Iavoloha no ahitana izany. Andeha ny kajikajy rehetra momba ny asa vita, nefa ny fiantraikany izany eny anivon’ny vahoaka mba manao ahoana ? Tsara ny tarehi-marika mety hivoaka, fa ny asa vita ihany no hifampitsarana hoy ilay antoko iray izay.
Samy hiaiky isika rehetra fa nisy ny asa vita, fa mba firy isan-jaton’ny nampanantenaina kosano vita. Voatsangana ve ny rindrina nambara fa ho atao mandritra ny dimy taona manaraka sa ahoana ? Hiatrika eny antoerana ihany koa ireo mpamatsy vola mahazatra izay ahita ny fomba fiasan’ity fitondrana ity. Midika io fa toy ny miatrika safidim-bahoaka ireo olom-panjakana nomena fahefana hitondra ny vahoaka mandritra ny dimy taona izao. Herinandro ny faharetan’ity dinika ity, ary mety ho hita eo ihany koa izay nomena andraikitra, nefa tsy nahavita ny asany, ka mety ho esorina amin’ny toerany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS