Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 00h35
 

Teny zato, kabary arivo

Ampahany no hita

vendredi 21 novembre 2008 |  855 visites  | Naivo kely

Tora-kovitra ny rehetra raha nandre fa tratra teto Madagasikara ny zava-mahadomelina mahery vaika toy ny « heroine » sy ny « cocaine ». Karana no nampiditra io antsokosoko, saingy tsy avelan’ny marina tsy hipoitra ny ratsy.
Toerana iray heverin’ny hafa fa ho tobim-pamaharan’ny rongony mahery vaika ny eto. Matoa tafiditra teto ireny, dia misy ny mpandray ny entana. Ary io hiarahana mahita io ny handrakandrana ataon’ny tanora Malagasy, ka tsy ho gaga isika raha heverin’ny hafa ho loharanom-bola amin’io sehatra io indray ny eto Madagasikara. Ampahany no hita, fa ny efa tafiditra tsy hay intsony. Midadasika ny morontsiraka eto. Ny fitaovana entina hanaraha-maso ny entana mivoaka sy miditra eto anefa tsy ampy. Dia ho gaga ve isika raha maro amin’ny olona eto no manao ny tsy fanao intsony ankehitriny ? Ny habibiana isan-karazany tsy tenenina intsony. Miha-potika ny toe-tsain’ny Malagasy. Isan’io ny fidorohana zava-mahadomelina, na io fohana na ihany koa tsindrona no ampiasaina. Soa aloha fa tratra ireo ati-doha manampoizina ny Malagasy, ary inoana fa tsy hijanona hatreo ity tantara fa ho fongotra hatramin’ny fakany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS