Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 23h23
 

Malagasy

Madarail

Mitohy ny fitakian’ny mpiasa

mardi 30 décembre 2008 | Naivo kely

Zo sendikaly, fa tsy hetsika politika. Io no fototry ny fitakiana ataon’ireo mpiasa tao amin’ny Madarail, niala an-tsitrapo nanomboka ny taona 2003. Be ireo voalaza fa tsy mbola nahazo ny tombontsoa tokony ho azo tamin’izany, amin’isika manoratra izao.

Io no nambaran’ingahy Jakoba Andriamiharivolamena, izay isan’ny tompon’andraikitra tao amin’ity Madarail ity teo aloha. Tsy mitovy ny vola nomena ny mpiasa, na dia samy niala an-tsitrapo aza. Misy ny nomena hatrany amin’ny Ar 20 tapitrisa, ary tao kosa no zara raha nandray afa-tsy Ar 5 tapitrisa. Ny hita hoy ity nitatitra tamin’ny haino aman-jery ity, dia efa mananika ny 40 taona ny ankamaroan’ireo mpiasa ireo. Mitaky ny hijerena ny fampiharana ny CRCM ihany koa izy ireo. Ny taona 1982 no isan’ny mpiasam-panjakana ireto mpiasa ireto, nefa tsy mifaraka araky ny lalàna ny fandraisany vola. Ny latsakemboka aloa any amin’ny CNAPS ihany no noraisin’izy ireo.

Mitarazoka anefa ny fikarakarana ity CRCM ity, ka voalaza fa efa nahatratra 60 no maty tamin’ireo mpiasa, izay tsy mba nigoka ny tambin-kasasarany akory. Tsapan’ireo mpiasa fa maro ny fifanarahana tsy mandeha amin’ny tokony ho izy amin’izao fotoana. Isan’izany ireo loha-masinina efatra nafarany avy any China, nefa tsy mifanaraka amin’ny lalam-by eto Madagasikara. Misy ihany koa ny loha-masinina nampiakarina avy any Antsirabe mbola tsy vita hatramin’izao. Mitaky ny fampiharana ny fifanarahana natao tamin’ny Madarail sy ny fanjakana ireto mpiasa ireto manoloana izao fahavoazana mianjady amin’ny lalam-by malagasy izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS