Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 20h30
 

Malagasy

Fahatongavan’ny « Force One »

Samy nahazo ny anjarany

mardi 6 janvier 2009 | Naivo kely

Tonga omaly ilay fiaramanidina ho entin’ny filoham-pirenena mitety firenena maro eran-tany. Ahafahantsika mifandray sy mametraka ny fiaraha-miasa no tena antony nividianana indray ity fiaramanidina haingam-pandeha noho ny teo aloha ity.

Omena fitaovana ny rehetra mba ahafahany miasa. Isan’ny fampanantenana nataon’ny filoha Ravalomanana io, ary dia tonga tokoa izay nampanantenainy.

Niainga tany amin’ny ben’ny tanàna, izay nilazany, fa omena môtô tsirairay izy ireo. Tonga tokoa ny môtô, ary efa mizara izany ireo tompon’andraikitra isaky ny faritra. Nampanantenaina ihany koa ny tantsaha fa omena trakitera. Tonga ilay fitaovana manaram-penitra, saingy ny tsy fantatra, dia ny fomba ahazoan’ireo tantsaha mampiasa io fitaovana io. Ilana fanazavana matotra ny momba io, mba tsy aha-tompon-trano mihono ireo mpamboly ireo.

Tsy latsa-danja amin’ny fanomezana ny mpiasam-panjakana. Nampiakarina 10% ny karaman’ny mpiasa. Maro no tsy faly satria toa tsy mifanaraka amin’ny fiakatry ny vidim-piainana ity fisondrotana ity. Maro no nilaza fa tokony mba nisy ihany ny fiaraha-midinika, mba nahafahana niady hevitra amin’izao fahasarotan’ny fiainana izao.

Tsy maharaka ny diako ity fiaramanidina “Force One” ity, hoy ny filoha Ravalomanana, ka mila soloina. Natolotra ny “Air Madagascar” ilay fiaramanidina manokan’ny filoham-pirenena, ary dia io tonga omaly io ilay solony. Samy manao kajy an-kandrina isika rehetra ny vidin’izany fiaramanidina izany, izay tsy nomena fotsiny fa novidiana, ary volam-panjakana fa tsy an’ny filoha manokana. Samy nahazo ny anjara nampanantenana azy avokoa izany ny rehetra.

Ahoana ny vahoaka madinika ?

Tonga avokoa ireo fitaovana lavo vidy ho entina miasa, mba ahafahana mamita ireo asa ilain’ny firenena eto amintsika. Toa tsy taitra amin’izany anefa ny vahoaka rehetra. Ny antony, dia toa tsy mbola tanteraka any amin’ny isan-tokantrano ilay fampandrosoana haingana tiana apetraka eto. Mbola maro no manao sakafo rivotra, ary ireny hiarahana mahita ireny ny olona manao tafo lanitra. Ekena fa maneran-tany dia ahitana izany, saingy tokony ho hamafisina ny resaka sosialy eto, mba hanamaivana ny fahasahiranana. Tamin’ny loabary an-dasy teny Iavoloha farany teo, dia niara-niaiky izany ny rehetra, ary nanambara fa ilaina fiezahana bebe kokoa amin’ity taona vaovao ity.

Tsy mahantra i Madagasikara

Raha ireo fividianantsika fitaovana lafo vidy avy any ivelany ireo no jerena, dia sarotra atao ho mahantra i Madagasikara. Firenena mahantra iza tokoa no andeha hividy fiaramanidina toy izao, raha latsaka an-katerena ny harin-karena ao aminy ? Raha atao indray mitopy maso ireo fiara 4x4 zaraina isaky ny olom-boafidy sy olom-boatendry eto, dia iza no hilaza fa tsy manana ny ampy isika ? Ilaina vokatra mifanahatsahana amin’ireny fitaovana ireny anefa ny asa vita eny anivon’ny vahoaka.

Azo ilay fitaovana goavana nafarana avy any ivelany, mino isika fa hanana ny fanehoan-keviny ihany koa ireo mpamatsy vola vahiny. Ny karama ampiakarina eto amintsika aza mbola misy fanaraha-maso hentitra avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra. Firenena mahaleotena anefa isika, ka tsy tokony atahotra izany. Handray vahiny mana-kaja ihany koa isika amin’ity taona ity, koa rariny ve raha nividy io fiaramanidina io ny fanjakana ? Manantena ny mba hipaka any amin’ny vahoaka madinika izao fampiasana fitaovana raitra etsy sy eroa izao, fa tsy sanatria ka na ny jiro anelakelan-trano aza tsy misy, ka ny asan-jiolahy no mitavana izay mba valin-katsembohana azo androany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS