Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 23h22
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy nisy fepetra

mardi 6 janvier 2009 | Naivo kely

Vaky ny fonja. Io no nanamarika ny tontolon’ny fonja raha iny faramparan’ny taona 2008 iny, ary dia io nitohy ny alahady lasa teo indray. Be ireo gadra afaka nandositra, ary nisy ny voasambotra sy ny maty.

Tsy hidirana lalina intsony eto ny resaka zon’olombelona, fa ny maika indrindra, dia ny tsy fandraisana andraikitra manoloana ny fonja eto Madagasikara. Tsy vao izao no nilazana fa efa antitra sy mora vakiana anie ny fonja eto amintsika, nefa toa rano nararaka an-damosin-gisa avokoa ireny rehetra ireny. Ekana fa misy ny ezaka izay atao, toy ny fampitaovana fiara vaovao hitaterana ny voafonja, saingy ny tena fototra tsy voajery. Misy ny fananganana fonja vaovao saingy ny mpamatsy vola ivelany toy ny vondrona Eropeanina no manao izany. Aiza ny andraikitry ny minisitera manokana no tsy manamafy orina ireo efa nijoro ? Nahoana no efa vaky hatrany ny fonja vao hamafisina amin’ny alàlan’ny mpitandro ny filaminana isan-tsokajiny izany fonja izany ? Manambara ny eo anivon’ny minisitera isan-tsokajiny, fa misy ambadika hafa izao fahavakisana fonja nifanesisesy izao. Raha tsapa izany nahoana no tara ny fandraisana andraikitra hiarovana ny toeran’ireo gadra eto amintsika ?
Tsy nisy fepetra mialoha ve mba nahafahana nisoroka izao fahavakisana izao, izay raisina ohatra amin’ny fanamboarana ireo trano efa hita fa nolazoin’ny andro sy ny taona.

Mafampana izao ny hetsika politika eto amintsika. Tetika iray hampisavorovoroana ny saim-bahoaka hatramin’izay ny fahavakisan’ny fonja. Mino isika fa ho mailo amin’izay ny rehetra, ka ho toy ny nofy sisa izany fahavakisan’ny fonja eto Madagasikara izany, ary dia ho voasambotra tsy ho ela avokoa ireo gadra nahavanon-doza afaka nitsoaka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS