Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 03h50
 

Malagasy

Grad Iloafo

Tsy manaiky ny korontana

mardi 6 janvier 2009 |  803 visites  | Naivo kely

“Mahavita azy i Ravalomanana. Izay no antony nanohananay azy hatramin’izay. Hita ary azo tsapain-tanana ny ezaka vitany nandritra izay nitondrany ny firenena izay, ary porofon’io ny fiakaran’ny harin-karena 7,1%.Mbola hiakatra 7,5% izany harin-karena izany amin’ity taona ity, ka izay no tokony hitandrovana ny tsy hisian’ny korontana eto amintsika”. Io no nambaran’ny filoha mpanorina ny antoko Grad Iloafo, Tovonanahary Rabetsitonta. Tsy isaky ny folo taona, dia hiseho hatrany ny korontana eto Madagasikara hoy izy, ary ireny niarahana nahafantatra ireny ny fahavoazana nianjady tamin’ny toe-karena Malagasy. Nohamafisin’ity antoko ity ihany koa, fa tsy misy eran-tany ben’ny tanàna mpandraharaha, afaka hibaiko filoham-pirenena. Tsy azo ekena ny endrim-pamotehana izay tadiavin’ny sasany hatao eto manomboka ny 13 Janoary ho avy izao. “Vahoaka hendry isika”, hoy ny Grad Iloafo, “ka tsy ho voatariky ny hafa amin’ny làlana nampidi-kizo ny firenena hatramin’izay”.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS