Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 00h27
 

Malagasy

Mpiasam-panjakana

Ho tafiditra amin’ny vovo politika ve ?

mercredi 31 décembre 2008 | Naivo kely

Asa na fifandrifian-javatra, na efa tetika nokotrehina ela, fa milaza hanao ny fitakiana ihany koa ny mpiasam-panjakana amin’ny taona ho avy io. Fitakiana ara-tsosialy, araky ny nambaran’izy ireo. Ny alatsinainy teo no nisy andiana mpiasa nivory izay nametraka ny fijoroan’ny komity miaro ny tombontsoan’ny mpiasam-panjakana.

Aoka apetraka amin’ny toerana sahaza azy ny mpiasam-panjakana, ary atao mifanahatsahana amin’ny zava-misy ankehitriny ireo tombontsoa omena ny mpiasa. Voalaza fa ny taona 2003, dia nangataka ny hampiakarana hatrany amin’ny dimy alina ariary ny tambiny amin’ny trano fonenana ny mpiasam-panjakana. Taona 2008 isika izao, mbola tsy mihoatra ny efatra arivo sy iray alina no omena ireto mpiasa ireto. Aiza intsony no hisy hofan-trano mifanahaka amin’io voasoratra etsy ambony io. Iray hetsy ny vola ho hangatahana manomboka izao, hoy ireto mpiasa nitarika fivoriana ny alatsinainy lasa teo ireto. Toy izany koa ny momba ny fisotroan-dronono. Rehefa mahavita 30 taona miakatra, dia afaka mandeha miala sasatra, fa tsy hiandrasana 62 taona vao omena ny vola fisotroan-dronono. 12 volana aorian’ny handehanan’ny mpiasa misotro ronono dia tokony efa omena azy izany vola izany. Ampahany amin’ny fitakiana ho ataon’ireto mpiasa amin’ny taona ho avy ireto ireo voalaza ireo.

Ny mampiheritreritra ny maro, dia fantatra, fa io taona ho avy io no hanaovan’ny mpanohitra ny hetsika eto amin’ny firenena. Misy hifandraisiany ve izao ho ataon’ny mpiasam-panjakana izao, sa tsia ? Ho hita eo ny tohiny, fa ny fitakiana tombontsoa hiara-manana, hoy ny mpiasa hafa, fa ny hanongam-panjakana tsy lasa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS