Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 19h58
 

Malagasy

Ralison Roger

Kivy tamin’ny nahazoana ny Force One

samedi 10 janvier 2009 |  1456 visites  | Naivo kely

Maika ve ny nividianana ilay fiaramanidina manokan’ny filoham-pirenena ? “Tsia, hoy i Ralison Roger, satria tokony fampiakarana ny farim-piainan’ny vahoaka no maika.

Vahoaka miaina ao anaty fahantrana, nefa ny mpitondra toa misonanika amin’ny Force One tsara tarehy mitety faritra, ary hitety firenena”. “Azo atao tsara ny mandeha fiara 4x4”, hoy ity filohan’ny PRM ity. “Raha hitety firenena indray, dia eo ny Air Madagasikara na ny fiaramanidina hafa afahana mitsidika ny firenena hafa. Ny mampalahelo, dia hambara fa miakatra ny hari-karena eto amintsika, ka tafakatra 7,5%. Raha ny hita anefa, dia tarehi-marika ambony latabatra ihany ireo, satria tsy misy fiatraikany eny anivon’ny vahoaka”.

Azo atao tsara ny nanangana orinasa madinika na salantsalany tamin’ny vola io vola be nividinana fiaramanidina io. Ny vola ho lany amin’ny amin’ny fitetezam-paritra tsy ho tenenina intsony. Aleo mandre 3,2% ny fitombon’ny harin-karena, hoy ity filohan’ny PRM ity, nefa misy fiantraikany amin’ny vahoaka, toy izay io tarehi-marika hambaran’ny fanjakan etsy sy eroa io.

“Aoka tsy ho gaga isika raha maro no milaza fa toa tsy mijery ifotony ny fahoriam-bahoaka ny fanjakana, fa variana amin’ny rendrarendra”, hoy ingahy Ralison Roger.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS