Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 07h54
 

Malagasy

Fotoam-pivavahana etsy Ambohijatovo

Voaantso hatramin’ny « sekta »

mercredi 7 janvier 2009 | Naivo kely

Ela ny ela, ka nitodika hatrany amin’ny mpivavaka ivelan’ny FFKM ny antso hiara-hivavaka ny alahady ho avy izao. Antsoina isika mpino rehetra mba ho tonga hiara-hiombom-bavaka amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo ny alahady ho avy izao. Manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Io no antso aparitaka eny anivon’ny fiangonana rehetra amin’izao, ka isan’ny nandrenesana izany ny itony fiangonana antsoin’ny hafa hoe « sekta » itony.
Aina ity hoy Rainimanonja, ka izay rehetra afaka hameno ny toerana ao Ambohijatovo, dia nantsoina avokoa. Tsy isan’ny hitarika ny fotoam-pivavahana kosa anefa izy ireo, fa mpanotrona fotsiny ihany, satria ireo mivondrona ao amin’ny FFKM no hitarika ny fotoam-pivavahana.

Miverina ny lasa

Raha ity antso hiara-hivavaka etsy Ambohijatovo ny alahady izao ity no jerena, dia toa mampahatsiahy ny zava-nitranga tamin’ny taona 1991 sy ny 2002. Manakaiky ny datin’ny 13 janoary, izay fe-potoana nomen’ny ben’ny tanàna sy ny mpanohitra miaraka aminy, hamaliana ny fitakiany, no miseho izao fotoam-bavaka izao. Tsy misy maharatsy ny miara-midera ilay Nahary, fa tsy azo sarahina amin’ny raharaha politika kosa ity ho atao amin’ny alahady izao ity. Nanana andraikitra lehibe ny mpitondra fiangonana tamin’ireo taona voalaza etsy aloha ireo. Isan’ny angady nananana sy vy nahitana tamin’ny fanovana ny mpitondra teto izy ireo. Dia ho sanatria ve ka izay no heverin’ny mpitondra fiangonana fa mety amin’izao vanim-potona izao ?

Tapaka ny daty

Miandry izay hitranga sisa. Io no tonga ao an-tsain’ny maro. Ny ben’ny tanàna sy ny mpanohitra, izay tsy hihemotra amin’ny teny efa nataony, ary ankilany ny mpitondra fanjakana, tsy hanaiky ny endrim-panakorontanana mety hitranga. Valalanina ny sain’ny vahoaka manoloana izany. Tsy hisy intsony ny marimaritra iraisana manomboka izao, fa samy hampiasa ny hery eo ampelan-tanany ny tsirairay. Iza no tena hironan’ny fon’ny vahoaka, ny mpanohitra sa mbola ao amin’ny mpitondra ? Tapaka ny tady, ary tsy hisy olona afaka hanambatra izany hatramin’izao. Dia ho sanatria ve ka ho lasa sorona indray ny mponina eto Iarivo ?

Fantatra izao fa efa tafakatra eto an-dRenivohitra avokoa ireo lohandohan’ny mpisorona mpanao politika. Ao ny mpanaraka ny fitondrana, ary tsy vitsy ny avy any amin’ny fanoherana. Miandry izay hitranga ny mpitandro ny filaminana, ary mihorohoro ny mpandraharaha amin’izay mety ho avoakan’ny ampitso.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS