Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 12h28
 

Malagasy

FCD

Ny vahoaka no tompon’ny hetsika farany

mardi 30 décembre 2008 | Naivo kely

Tsy hanongam-panjakana izahay, fa mitaky ny hampiharana ny demokrasia eto amintsika. Tsy azo ekena ihany koa ny jadona izay tadiavin’ny adian’olona apetraka eto. Io no nambaran’ny FCD, na ny herim-panovana ho amin’ny demokarsia, tarihan’ingahy Alain Ramaroson.

Nametraka ny fitsipika tokony ho hajain’ny rehetra ity FCD ity, ary nozaraina eny anivon’ny fiaraha-monina. Misy andininy hatrany amin’ny 11 no voasoratra ao, ary izay vonona ny hanaja ny zon’olombelona sy ny tena hampiarana ny demokrasia eto, dia manao sonia io avokoa. Isan’ny nahazo izany ny mpitondra fanjakana isan’ambaratonga rehetra eto. Tsy mbola nisy nanao sonia izany kosa anefa izy ireo, hoy ny filoha lefitry ny fikambananana, ingahy Rajakaoba tao amin’ny radio tsy miankina iray eto an-dRenivohitra.

Niainga tamin’ireny olona nahazo ny ben’ny tanàna teto an-dRenivohitra sy ny mpandraharaha maro ireny no antom-pisian’ity MCD ity, izay hivondronan’ny hery samy hafa eto amin’ny firenena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS