Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 15h07
 

Malagasy

Faritra Analamanga

Afaka mitsabaka amin’ny asan’ny Kaominina

vendredi 9 janvier 2009 | Naivo kely

Taorian’ny fitoriana nataon’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra, dia nitondra fanazavana toy izao ny lehiben’ny faritra Analamanga, Fidy Ratsimbazafy.

« Toy ny raharaham-pitsarana rehetra no nataon’ny kaominina anay sy ny eo anivon’ny Préfet de Police. Ny tsara ho marihina anefa, dia solontenam-panjakana ao anatin’ny kaominina ny Préfet, ary ny lehiben’ny Faritra kosa, dia midadasika ao anatin’ny faritra iray manontolo. Izy no misolo tena ny Governemanta na ny minisitra ao anatin’ny faritra. Gaga ihany aho, hoy ity lehiben’ny faritra Analamanga ity, amin’ny filazana fa vokatry ny nandehananay tao amin’ny tanin’ny kaominina no anton’ilay fitoriana. Ny kaominina, dia fanjakana, ary ilay tany dia an’ity farany fa tsy an’olona manokana. Ny asan’ny faritra, dia afaka manara-maso ny asan’ny kaominina tsy mila alàlana etsy sy eroa. Azon’ny atao ny manara-maso ny fomba fitantanana ny raharaham-bahoaka ataon’ny kaominina.

Toy izany koa ny fampisehoana etsy sy eroa, na ny olana any amin’ny trano fisotroana sy ny fiangonana, raha sanatria ka misy korontana.

Momba ny fandraisana andraikitra nataon’ny faritra Analamnga momba ny fanadiovana ny faritra teny Anosipatrana, dia rehefa tsy vitan’ny kaomnina ny manala ny fahasahiranana mianjady amin’ny mponina, nefa mety hitera-doza dia miditra an-tsehatra ny Faritra. Tsy nisy fanalam-baraka nataon’ny Faritra, hoy ihany ingahy Fidy Ratsimbazafy fa andraikitra tsy maintsy raisina no natao ».

Miandry ny tohin’ny raharaha eny anivon’ny fitsarana isika rehetra, fa ny asan’ny Faritra mandeha ihany, ary toy izany koa ny eo anivon’ny kaominina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS