Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 19h42
 

Malagasy

Datin’ny 13 janoary

« Aza miady fasana hilevenana », hoy i Pierre Houlder

vendredi 9 janvier 2009 | Naivo kely

« Tsy misy maniry korontana, fa ny fitakiana no tsy maintsy atao. Any amin’ny mpitondra fanjakana ny lakilen’ny filaminana rehetra, satria ny zo fototra no hambara fa voahitsakitsaka ».

Io no nambaran’ingahy Pierre Houlder, manoloana ny mety hisian’ny korontana eto. « Tsy hiverina ny tranga toy ny tamin’ny 2002, satria fitakiana madio no ataonay. Diso ny fiheveran’ny sasany, fa manosika an’i Andry Rajoelina ho atao sorona amin’ny tolom-bahoaka izahay mpanao politika. Ilay zo fototra tsy voahaja no nahatonga ny mpanao politika rehetra hitambatra. Tsy tokony ho tafaray anefa ireo », hoy ihany i Pierre Houlder nanohy.

« Raha ny zava-misy eto, dia samy manana ny olany ny mpandraharaha rehetra, toy izany ny olon-tsotra sy ny mpanao politika, ary ny mpianatra. Be ireo fitarainana efa natao, saingy toa tsy nisy mpihaino. Aoka tsy hiady ny fasana hilevenany izao fitondrana izao, ka ahay hihaino sy hamaha ny olana eto Madagasikara ao anatin’ny fotoana fohy », hoy izy namarana ny heviny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS