Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 08h48
 

Malagasy

Mpiasan’ny kaominina

Mitohy ny disadisa amin’ny mpitantana

samedi 10 janvier 2009 | Naivo kely

Tsy mbola miravona ny olana eo amin’ny mpiasa sy ny mpitantanana eo anivon’ny kaomnina eto an-dRenivohitra. Efa notaterina teto amin’ity gazety ity iny taona lasa iny, ny fitarainana nentin’ireo mpiasan’ny kaominina, momba ny fanilikilihana azy ireo ankehitriny. Ny mpitantanana ankehitriny no fototry ny olana, ka tsy voajery ny zo tokony hananan’ny mpiasa sy ny asa ho an’ny vahoaka.

Efa an-taonany maro ireto mpiasa ireto no niditra tao, nefa mbola ELD sy ECD foana hatramin’izao. Ireo olona mpiray fikambanana amin’ny mpitondra ao anefa, no zary nahazo ny sehatra rehetra mifanahatsahana amin’ny zo fototry ny mpiasa. Nailika ireo teo aloha, ary tsy omena asa. Tsy tapaka kosa anefa ny karama na dia izany aza, saingy ny asa ilain’ny vahoaka no tsy vita, satria tsy hain’ireo vao nampidirina amin’ny toerany. Mpiasa mahatratra 1800 ny mpiasan’ny fivondronana, ary mandrahona ny hanao fitokonana iraisana izy ireo, raha toa ka tsy misy ny fifampidinihana haingana eo amin’ny mpitantanana sy ny mpiasa.

Dia ho sanatria ve ka ho olana tahaka izao hatrany no hitranga eto amin’ity tanàna ity ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS