Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 22h19
 

Malagasy

Asa fanaovan-gazety

Tsy mampihemotra ny ramatahora

mardi 13 janvier 2009 | Naivo kely

Asa masina ity asa ity, ka aleo maty toy izay tsy hilaza ny marina. Isan’ny fanehoan-kevitra nataon’ny namana mpanao gazety maro io, omaly raha nandre ny fahavoazana nianjady tamin’ny namana Rolly Mercia ny faran’ny herinandro lasa teo.

Ny toy izao no vao mainka hametrahana ny firaisan-kina eo amin’ny samy mpanao gazety. Ekena fa samy manana ny fomba fampitany ny vaovao ny rehetra, saingy ny maha-asa iray ity asa ity no jerena sy hamafisina. Vanim-potoana mafana izao eo amin’ny sehatry ny fiainam-pirenena, saingy tsy ny herisetra no vaha-olana tsy hampitana vaovao any amin’ny mpanjifa.
Raha ny raharaha momba ny saika fandoran’ny olona ny trano fonenan’i Rolly Mercia iny, dia efa manantena ny rehetra fa ho fantatra tsy ho ela ny tena ati-doha nampanao izany herisetra izany.

Fantatra fa misy ny fiarovana manokana ataon’ny mpitandro ny filaminana ny ain’ity mpanao gazety ity sy ny fianakaviany taorian’iny tranga mamoehatra iny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS