Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 12h44
 

Malagasy

Tapitra ny fampitandremana

Any amin’ny TGV sy ny AVI ny baolina

mercredi 14 janvier 2009 | Naivo kely

Inona no hitranga ? Io no fanontaniana mipetraka ao an-dohan’ny maro. Tapitra omaly tokoa ny fe-potoana nomen’ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina, ny mpitondra fanjakana hanokafany ny haino aman-jery izay nakatony, ka isan’io ny fahitalavitra VIVA. Voakasika ao anatin’ny fangatahany napetrany ho an’ny fanjakana ihany koa ny fanajana ny zon’olombelona sy ny demokrasia.

Mihorohoro ny ankamaroan’ny mponina raha vao dila ilay daty 13 janoary omaly. Miandry izay ho ataon’ny mpanao politika ny rehetra. Hikopaka sa hamely fantsy, hoy ny mpitazana, satria ny ankilany eo anivon’ny fitondrana ihany koa dia tsy manaiky hampitahorin’izay ben’ny tanàna amin’ny kaominina an-drenivohitra iray. Tapaka ny tady, ary tsy hita intsony ny marimaritra iraisana. Ny mpanao politika izay nafana fo niara-dàlana tamin’ingahy ben’ny tanàna, dia sahirana toy ny valalabe mandry, miandry izay ho tohiny. Voalaza fa tsy mahafantatra ny mety ho tohin’ny hetsika izay ireo. Nisy no nanambara, fa ny TGV sy ny AVI no mitondra ny baolina samy irery. Toa fanilihana sahady ny mpanao politika ny fihetsiky ny mpikambana sasany ao amin’ireo antoko sy fikambanana ireo.

Mbola tsy azo ny vanginy, dia efa…

Eo anatrehan’ity tolona ataon’ny ben’ny tanàna sy ny antoko politika sasany ity, dia manomboka samy mifampitazana, sy mifampiahiahy izy rehetra. Tsy hilaozan’ny mpananty ràn-kena ny sehatra toy izao, hoy ireo tafaresaka taminay mpanao gazety. Ny voay mbola tsy maty, nefa efa be ireo te-hiravaka ny vanginy. Ny fikilasiana ny mpanao politika vonona hifanome tanana ho mpanimba ny tolona no tena tsy zakan’ny hafa. Mazava izao, fa tsy misy foto-kevitra iraisana ny ao amin’ireto mpanohitra ny fitondrana ankehitriny ireto, fa ny fanesorana ireo mpitondra amin’ny toerany no tian’ny sasany ho atao. Aiza amin’izany ny tena fitiavan-tanindrazana ? Mbola mipetraka foana ny kilalao maloto toy ny tamin’ny taona 91 sy ny 96 ary ny taona 2002 farany teo, izay hiheveran’ny hafa fa antoko vitsy sy fikambanana no hahavita ny tolona ho atao. Tsy ho gaga isika raha làlana samy hafa hatrany no fomba fanehoan-kevitra ataon’ny mpanao politika eto, rehefa misy tranga miseho toy izao. Soa aloha fa ety am-panombohana dia efa tsikaritry ny maro izao ady toerana sy fanilikilihana ao anatin’ny mpanohitra izao, ka ho hita eo ny vokatry ny nafafy taorianan’io daty 13 Janoary omaly io.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS