Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 07h20
 

Malagasy

Faritra iva

Misy mitady hanao fitaovana politika

mardi 13 janvier 2009 | Naivo kely

Samia tonga saina amin’izao fahantrana izao isika. Ampy izay ka aleo manova toy izay ho ataon’ny sasany fitaovana fitadiavam-bato lava izao. Ireo no teny entin’ny andian’olona mitety trano sy fivarotana ho mariky ny firaisan-kina eny anivon’ny faritra iva.

Tsy voazava mazava kosa anefa na hiaraka amin’ny mpanohitra ankehitriny, na hiaro ny fitondrana no tena tanjon’ireto andian’olona ireto. Ny tsapa kosa anefa, dia nanambara ireo olona ireo, fa rehefa tonga ny “Top”, dia tokony tsy hisy hialangalana amin’izay hetsika ho atao isika mianakavy ety amin’ny faritra iva.
Ny sabotsy tolakandro teo no nahitana izany, teny Andohatapenaka, sy Antohomadinika. Iza no nampaniraka ireo olona ireo ? Tsy mbola nisy kosa anefa fizarana vola, na fanomezana nataon’ireto andian’olona ireto nandritra izay fandresen-dahatra teny anivon’ny fokontany izay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS