Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h19
 

Malagasy

Ivan Randriasandratriniony

Mazava ny resaka

lundi 19 janvier 2009 | Naivo kely

“Mitady ny fomba rehetra handrombahana fahefana ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra Andry TGV. Mipoitra avokoa ankehitriny ny tetiny hanaovana izany, ka ny fametrahana kianjan’ny demokrasia no lalana iray heveriny fa hidirana amin’io fandrombaham-pahefana io. Tsy misy afa-tsy ny fifandimbiasan-toerana amin’ny alàlan’ny fifidianana ihany anefa raha te-hampanjaka izany demokrasia izany”. Io no nambaran’ny filohan’ny antenimieran-doholona, Randriasandratriniony, manoloana ny hetsika politika mitranga eto. Tsapa, ary mazava ny resaka fa ingahy Andry Rajoelina no filohan’ny mpanohitra eto.

Fanehoan-kevitra izay mametraka sy mampahatsiahy ho an’ny vahoaka eto Iarivo, fa tsy vanim-potona ny fanakorontanana intsony izao. Efa nilaozan’ny toe-trandro ny fidinana an-dalam-be sy ny fikomiana. Mbola io anefa no làlan’ny ben’ny tanàna sy ny mpanohitra, ka ho aiza no hiafaran’ny toe-karena sy ny tena safidim-bahoaka raha korontana lava izao no apetraka eto amin’ny firenena ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS