Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 12h35
 

Malagasy

Politika sy vaky fonja

Manamaloka ny risim-pon’ny vahoaka

samedi 17 janvier 2009 | Naivo kely

Rehefa tsy naha-taitra ny maro ny fanehoan-kevitra politika hatramin’izay, dia ny gadra indray no nanao ny nataony. Teo no naha-rarakivy ny ambanilanitra, satria ireo nahavanon-doza teo amin’ny mpiara-belona no tafavoaka ny fonja nitazomana azy.

Samy mailo ny ankamaroan’ny mponina amin’ny asa andavan’andro izay ataony. Ity fikasan’ny hafa hamerina ny lasa amin’ny alàlan’ny fihetseham-bahoaka ity, dia efa zava-doza ho an’ireo mitady harapaka isan’andro. Asa inona tokoa no ho vita ao anatin’ny korontana lava reny toy ny nitranga tamin’ny 2002 ireny. Mitaona ny olona hidina andàlam-be ny ben’ny tanàna sy ny mpanohitra. Kivy ny rehetra, ary vao maika manampy trotraka io ny fandrenesana ny fonja vaky saika isan-kerinandro ity. Manamaloka ny risim-pon’ny vahoaka hanao ny fihariany isan’andro ny toy izao. “Soa aloha fa mbola vao fitokanana ilay “kianjan’ny demokrasia” ny anio, hoy ity renim-pianakaviana mpivarotra vary mitsangana etsy amin’ny « zay maika ». “Akatonay ny tsena raha manomboka ny fitaomanana vahoaka”, hoy ihany izy, satria iza no andeha hamono antoka amin’izay korontana politika any” ?

Dia miandry ny mety ho avoakan’ny anio sy ny ampitso ny rehetra, ary manantena mba tsy hisy fanelingelenana ny asa ataon’ny hafa ny fitakiana izay hiainga etsy Ambohijatovo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS