Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 23h22
 

Malagasy

Vavaka tetsy Mahamasina

Notaterina tamin’ny fiara ny mpino

lundi 12 janvier 2009 | Naivo kely

"Raha misy mivavaka roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany Aho”. Ho entina am-bavaka ny firenena, ary izay no niantsoana ny olona maro samy hafa, mba hanatrika ilay fotoam-bavaka nokarakarain’ny kaominina teto an-dRenivohitra omaly, niaraka tamin’ny antoko mpanohitra eto Madagasikara.
Maro no nanohina ny antso, satria nisy tamin’ireo mpivavaka no notanterina tamin’ny fiara mandroso sy miverina mba hiara-hidera ilay Nahary. Mby tonga ao an-tsain’ny rehetra ny fanontaniana hoe, fa angaha ny ahafeno ny Kianja mitafo no tanjona tamin’ity indray mitoraka ity, sa ny hivavaka ? Ny teny fampidirana natao etsy aloha mantsy dia mahafehy zavatra betsaka, raha toa ka ny fihainoan’ny Tompo Andriamanitra ny vavaka ho atao amin’ny firenena no tanjona. Nefa tsara tokoa ny maro noho ny vitsy, ka samy manao izay ahatafita ny tanjona iriany ny rehetra.

Tazana teny an-toerana avokoa ireo mpanao politika rehetra, izay mivondrona ao amin’ny fanoherana. Tsapa tamin’io vavaka omaly io, fa ao anatin’ny firaisan-kina tanteraka ny mpanohitra, miaraka amin’ingahy ben’ny tanàna Andry Rajoelina. Vita ny vavaka ho fangataham-pitahiana ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy, ka miandry ny valim-bavaka sisa no ataon’ireto nikarakara iny hetsika omaly iny. Nanomboka tamin’ny 10 ora maraina, dia efa tazana tetsy amin’io Kianja mitafon’i Mahamasina io ireo antoko mpihira samy hafa hanafana ny fotoana, ary tamin’ny 11 ora maraina, dia efa nafana ny tao amin’io kianja io. Tamin’ny 2 ora tolakandro kosa no nanomboka ny fotoam-bavaka lehibe izay efa nandrasan’ny maro. Niravaka fotsy ny kianja ho mariky ny fahazavana, araky ny nambaran’ny mpikarakara. Tomefy polisy monisipaly, sy skoto nanao ny fandaminana ny teny an-toerana.

Ny andrasan’ny rehetra, dia ho vavaka tena hanjakan’ny filaminana sy ny fifankatiavana iny natao iny, fa tsy sanatria vavaka hizorana any amin’ny mety ho fahapotehana sy ny ady an-trano. Raha izay no hirian’ny hafa, hamaly vavaka amin’izany ve ny Tompo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS