Toerana tsara, sady talaky maso ny kianja etsy Ambohijatovo. Tsy atao mahataitra raha ifandrombahan’ny olona ho atao sehatra ifanankalozan-kevitra.
Ireto ireo anarana efa napetraka ho anaran’ity kianja ity. Natao ho “Kianjan’i Laha Gaston” izy io ny taona 1992, rehefa avy nifampitifitra tamin’ny mpitandro ny filaminana teny Soanierana ny federalista. Maty tamin’io ingahy Laha Gaston, ary notakian’ireo mpitolona tamin’izany ny ametrahana ny anarany. Ny mpitantanana ny kaominina teto kosa, dia nametraka ny anarana tamin’izany ho “Kianjan’ny ankizy”. Io no anarana nandritra ny fotoana maro, satria hatramin’izao dia mbola maro no miantso izany. Dia hivadika ho “Kianjan’ny demokrasia” indray izany manomboka androany ity kianjan’Ambohijatovo ity. Toerana iray fanehoan-kevitra araky ny nambaran’ireo hitokana azy anio. Asa inona indray no hiantsoana azy atsy ho atsy, fa tsapa aloha dia hifandrotehan’ny maro ny anarana omena ity kianja ity. Toerana alokalofan’ny hazo sy bozaka maintso. Toerana fakana aina ho an’ireo tsy afaka mody atoandro. Ho lasa hilalaovan’ny mpanao politika izy io manomboka izao.
Kianjan’Ambohijatovo
Hifandroritana ny anarana
samedi 17 janvier 2009 |