Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 07h20
 

Malagasy

Karama farany ambany

Ampiakaro ho Ar 200.000, hoy ny SVS

mardi 13 janvier 2009 | Naivo kely

Tsy mifanaraka amin’ny vidim-pianana ny karama farany ambany. Ilaina noho izany ny hampiakarana ny karama farany ambany ho Ar.200.000, hoy ny SVS (Sendikalista Vaha-olana Sahaza”, izay tarihan’ingahy Razanajatovo Prosper.

Mihena hatrany amin’ny 350% ny fahefa-mividin’ny mpiasa. Mandia fotoan-tsarotra noho izany ny fiainan’ny mpiasa Malagasy. Misy ireo ezaka ataon’ny fanjakana, saingy mbola ny fitakiana tamin’ny taona 1960 no mbola hiainana ankehitriny.

Mitaky fa tsy manery ny SVS, ary efa nisy ny fitarainana teny anivon’ny BIT nataon’ireto sendika ireto.

Ireo karazam-pitakiana

Isan’ny olana goavana diavin’ny mpiasa ankehitriny, ny fisotroan-dronono. Tokony omena isam-bolana io, fa tsy isan-telo volana. Tsy tokony asiana fanavakavahana ny fandrindrana ny sendika ho ao anatin’ny filankevi-pitantanana nasionaly momba ny asa. Tsy ilaina intsony ny fifampidinihana eo amin’ny marin-karama farany ambany amin’ny mpampiasa sy ny fanjakana, fa omena ny “expert” eo anivon’ny BIT ny fandinihana ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasa eto. Omena zo ihany koa ny ray aman-dreny hitsabo ny zanany raha toa ka marary. Ny zava-misy ankehitriny, dia misy fe-potoana io, ka raha dila izany dia naman’ny manala tena ilay mpiasa. Ny mpiasa manana olana ara-pitsarana, dia tokony averina hiasa raha madio teny anivon’ny fitsarana izy.

Mafana ny raharaha politika

Etsy ankilan’izao fitakiana ataon’ny sendikan’ny mpiasa izao, dia toa mifanindran-dàlana amin’ny hetsika politika ankehitriny ny fitakiana. Misy mihitsy no mihevitra, fa natao hanetsehana ny mpiasa Malagasy hanampy tosika ny hetsiky ny mpanohitra izao fitakiana ny karama farany ambany ho Ar.200.000 izao. Nanambara ny mpitarika mpiasa, fa vita ny antotan-taratasy rehetra afahana manao izao fitakiana izao, ka fifandrifihan-javatra ihany ny toy izao. Notsindrian’ingahy Razanajatovo Prosper manokana ny nividiana ilay fiaramanidin’ny filoha farany teo. Raha iny 60 miliara dolara iny no naparitaka manerana ny faritra 22 eto Madagasikara, dia ho azo antoka fa nihena betsaka ny vesatry ny fiainana teo an-tsoroky ny mpiasa. Na nanaovana trano fonenana fotsiny aza dia efa zava-dehibe.

Manantena ireto sendika SVS ireto, fa ahay ahatsapa ny ahalehiben’ny tombontsoan’ny mpiasa ny fanjakana, ka tsy hanao ankila-bao ny fitakiana toy izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS