Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 23h23
 

Malagasy

Raharaham-pirenena

Aza faly mamafy korontana

vendredi 16 janvier 2009 | Naivo kely

Inona no fomba hanjonoana ny fon’ny vahoaka eto an-dRenivohitra, Tsy hay, fa ny tsapa, dia misy olona mikarama mamafy lainga hambabo ny fon’ny vahoaka eto. Saika isan’andro vaky izao no handrenesana ny feo manaitra ny hambom-pon’ny mponina eto mba hitodika any amin’ingahy ben’ny tanàna.
Tsaroan’ny maro tsara andro vitsy lasa izay ny nandefasana tsaho tao anatin’ny fotoana fohy, fa ho samborina « hono » ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina. Diso avokoa ny vaovao, ary azo adika ho fitsapana ny fitiavan’ny vahoaka azy ihany ny toy ireny. Ho esorina « hono » ny fitaovan’ny VIVA eny Ambohimitsimbina, mba tsy ahafahan’io haino aman-jery io mandeha intsony. Rehefa nozohina anefa ny marina, dia saika lainga avokoa. Dia niparitaka tao anatin’ny fotoana fohy indray ny alarobia alina teo, fa mivory ny Filan-kevitry ny ministra, ary tapaka tao fa nosoloina ho PDS ny hitantana ny kaominina eto an-dRenivohitra. Diso avokoa anefa ireo vaovao ataon’andian’olona maniry ny hisian’ny korontana eto.

Raha tonga tokoa ny olona…

Manoloana ireo tsaho hiniana ahely etsy sy eroa ireo, dia manomboka tsy taitra amin’ izany intsony ny maro. Toa saika efa isan’andro no andrenesana azy, nefa ny fahamarinany tsy misy. Raha sanatria ka misy tokoa ny tranga mety ahazo an’i Andry TGV, moa mbola hisy olona hino izay tena mitranga ? Tsara ny mailo amin’ny zavatra atao, saingy ny manome habobo ny mponina kosa mba tsy mety. Ekena fa ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha, saingy tsy ny famendrofendroana ny vahoaka no ahitana fahombiazana. Iza no tsy miaiky fa manomboka leo ny teny tsy voahevitra miparitaka etsy sy eroa ny olona ? Ny fiainana efa mafy mianjady amin’izy ireo aza efa tsy hitany izay handresena azy, koa ny tsaho ahely etsy sy eroa indray ve no andeha hamakiany loha ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS