Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 10h09
 

Malagasy

Fonjan’i Tsiafahy

Tonga lapan’ny demokarsia

jeudi 15 janvier 2009 | Naivo kely

Hita ao Tsiafahy avokoa ny hery nandray anjara tamin’ny raharaham-pirenena rehetra teto Madagasikara. Na miaramila, na sivily, na depiote, ben’ny tanàna teo aloha, eny fa hatramin’ny manamboninahitra nisahana ny filaminana rehetra teo amin’ny tanindrazana aza.

“Gadra politika”

Raharaha politika no nahatonga azy ireo ho tafaray ao amin’ity fonja be ity. Samy manana ny fomba ho entiny hilazana ny fihaonan’izy ireo ao ny maro, ka ny filazana ho “gadra politika” no hamehezana izay voalaza rehetra. Tsy lavina izany, saingy nisy kosa ny nahavita heloka be vava ka ny toerana tahaka izao no sahaza azy hoy ny hafa. Zary lasa “lapan’ny demokrasia” ho an’ny mpigadra ny fonjan’i Tsiafahy. Mandeha ao avokoa ny raharaha politika rehetra. Misy ny ozona sy falifaty raha tafavoaka ny fonja izy ireo. Tsy vitsy ihany koa anefa no niova fo tampoka, ka lasa ny mivavaka andro aman’alina no hifantohan’ny sainy.

Ireo gadra fanta-daza teto amin’ny firenena fantatra fa voatana ao am-ponja, dia ny kolonely Kotity, ny manamboninahitra Bolo, ny ben’ny tanànan’i Fianarantsoa teo aloha, Pety Rakotoniaina, ny depiote teo aloha, Voninahitsy, ny Jeneraly Fidy sy ireo mpiray tsikombakomba taminy, ny Depiote Zakahely, izay vao nafindra etsy Tsiafahy. Ireo no ampahany amin’ireo olona nitàna andraikitra ambony teto amin’ny firenena, nefa zary ny fonja sisa no sakaizan’izy ireo. Moa mba azontsika an-tsaina ny resaka ao raha tafaray amin’ny sehatra iray izy rehetra ireo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS