Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 17h30
 

Malagasy

Madagasikara sy Arabie Saoudite

Lasa omaly ny masoivoho malagasy, Patrick Ramiaramanana

lundi 22 décembre 2008 | Naivo kely
Lasa izany ny ambasadaoro, Patrick Ramiaramanana. (Sary Tahiry)

Lasa any amin’ny firenena mpamokatra solika i Patrick Ramiaramanana, rehefa niato tamin’ny naha-minisitra azy nandritra ny volana vitsy. Andraikitra lehibe no miandry ity masoivontsika ity any Arabie Saoudite, raha tsy hiteny afa-tsy ny fanafaran’ny fanjakana solika any ivelany.

Omaly no nandao an’i Madagasikara i Patrick Ramiaramanana. Tsy zoviana amin’ny maro ny lehilahy, satria nitana andraikitra goavana hatrany teto amin’ny firenena. Notendrena ho PDS teto Iarivo, ary lany ho ben’ny tanàna rehefa nilatsaka ho fidiana teto an-dRenivohitra. Notendrena ho minisitry ny Angovo, ary namaha ny olana maro momba ny delestazy. Tonga avokoa ireo milina maro izay nafarany, saingy lany ho depiote tao amin’ny boriborintany voalohany izy, ary notendrena ho minisitry ny Fanatanjahan-tena sy ny Kolontsaina ary ny Fialam-boly. Rehefa noesorina tamin’io andraikitra io ny lehilahy, dia izao nalefa ho masoivohontsika any ivelany izao indray.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS