Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 07h57
 

Malagasy

Làlana eto an-dRenivohitra

Izay vao taitra ny kaominina

vendredi 12 décembre 2008 | Naivo kely

Efa ela no nitaraina ny vahoaka momba ny fahapotehan’ny làlana eto an-dRenivohitra ny vahoaka, nefa toa tsy nisy mpihaino izany. Nilatsaka ny orana, nihombo ny fahapotehana. Nitohana ny fiara vokatry izany, ary niharatsy ny endriky ny làlana tsara tarehy teo aloha.

Herintaona aty aorian’ny nandraisan’ny ben’ny tanàna ny fitondrana vao hiroso tanteraka amin’ny fanamboarana izany làlana izany izy ireo. Ny alatsinainy izao no fantatra fa hanombohan’ny asa, ary heverina ho vita alohan’ny faran’ny taona.

Ingahy Andry Rajoelina, ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra dia nilaza, fa misy ny làlana vita tsara ary mafy, toy ny eny amin’ny araben’ny Fahaleovantena. Any amin’ny làlana hafa kosa anefa, dia mora potika, ka raha vao milatsaka ny orana, dia efa feno lavaka.

Tompon’andraikitra isika rehetra

Manoloana ireo fotodrafitr’asa teo aloha kosa, dia isika rehetra no miara-tompon’andraikitra amin’ny fiarovana azy ireny. Tsy ho hitan’ny ben’ny tanàna, hoy i Andry Rajoelina, ny olona manimba zavatra eny an-dalambe rehetra eny. Ho hentitra ihany koa ny sazy ho an’ireo olona tratra manimba fananam-bahoaka. Rehefa mandray andraikitra, hoy ireo mpitantanana eo anivon’ny kaominina, dia tsy maintsy vita. Nomeny ohatra tamin’io ny nanalana ny fako teto tao anatin’ny 72 ora. Notsindriany fa aoka tsy ahely eto ny vaovao tsy marina toy ny nambara momba ny resaka « choléra » teny Ambohimanarina.

Ny tsara ho marihina, dia hay azo atao ihany ny mandray fepetra haingana toy ny fanalana ireny fako ireny, fa tsy niandrasana 15 andro araky ny nambara tany aloha. Raha tsy nitaraina ihany koa ve ny ankamaroan’ny vahoaka nisy nandray fepetra haingana amin’ity làlana feno lavadavadaka ity ? Sa tsy hitan’ny tompon’andraikitra isan-karazany ireny, raha tsy hambara amin’ny haino aman-jery samy hafa ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS