Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Malagasy

Fanambadiana tetsy Ambanidia

Tsy fitiavana fa noterena

mercredi 17 décembre 2008 | Naivo kely

Ny hanambadiana hiadanana. Tsy izay anefa no nitranga tetsy amin’ny boroborintany faha-roa ny alakamisy sy ny sabotsy lasa teo, teo amin’ireto olon-droa saika hanorina tokan-trano.

Ho atao ny soratra ny alakamisy maraina lasa teo. Rehefa vory ny fiankaviana tao amin’ny efitrano fisoratana tao Ambanidia, ary hiroso amin’ny fanoratana ny ben’ny tanàna lefitra no niseho ny tsy nampoizina. « Tsy noterena ve ianao hanambady an’i ... hoy ingahy mpanoram-panambadiana » ? « Noterena tompoko », hoy razazalahy teo imasom-bahoaka ! « Tia azy ve ianao anefa sa tsy tia io vehivahy ho vadinao io » ? « Tsy tia azy aho tompoko », ho indray razazalahy. Rakotry ny henatra ny fianakavian’ny andaniny sy ny ankilany nanatrika tao, iny alakamisy iny.

Vita ihany

Rehefa izay no nitranga, dia notarihan’ingahy ben’ny tanàna lefitra hivadika tao amin’ny efitra ilany ity zazalahy antsoina hoe Thi... ity. Rehefa niverina avy izy ireo, dia nanontany an-drazazavavy indray ingahy mpanoratra. « Tsy noterena ve ianao hanambady azy » ? « Tsy hiteny aho raha tsy fantatro ny resaka nataonareo tao ambadika tao », hoy indray ity razavavy ity. Nihenjan-droa indray ny tady, saingy vita ihany ny soratra nony farany.

Tsy nitranga razazavavy

Ny sabotsy teo no voatondro hanaovana ny mariazin’izy roa ireto. Ny mampalahelo anefa dia tsy tonga indray ilay zazavavy. Ny fianakaviana sy ny sakafo anefa efa vory lanona tao amin’ny efitrano malalaky ny fiangonana katolika Ambanidia. Ny hany sisa natao dia fotoam-pivavahana tsotra tao am-piangonana nentina nankahery ireo fianakaviana saika hanatrika mariazy. Vita izay dia niroso tamin’ny sakafo ny olona nasaina, ary tao indray ity zazalahy ity no nitsiriritra izay ho andefimandriny any aoriana. Tsara ny milaza fa efa nitondra vohoka enim-bola ity vehivavy tsy tonga tamin’ny ora farany ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS