Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 20h31
 

Malagasy

Asa fanaovan-gazety

« Tsy tokony afangaro amin’ny politika », hoy i Louis Bernard

samedi 27 décembre 2008 | Naivo kely

Nampiteny ny moana ny zava-nisy teto Madagasikara, tao ho ao momba ny resaka asa fanaovan-gazety teto Madagasikara. Taorian’ny nanakatonana ny fahitalavitra iray teto an-dRenivohitra, dia maro no naneho ny heviny momba izany. Ny mpanao politika, ny fiaraha-monim-pirenena, ny olon-tsotra, ary ny mpanao gazety.

Raha ity farany ity no asian-teny, dia naneho ny heviny momba ny fahitany ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ny depiote Louis Bernard voafidy tao amin’ny boriborin-tany faha-efatra. Tsy tokony afangaro ny asa fanaovan-gazety sy ny fanaovana politika, hoy izy. Tsy ny asa fanaovan-gazety ny hiandaniana firehana politika. Tsapan’ity olom-boafidy ity, fa sahirana ny vahoaka amin’ny fandrenesana mpanao gazety tafaroboka amin’io sehatra io. Masina sy saro-pady io asa io, ka tokony ho hay ny havaka ny fitrandrahana vaovao sy ny fampitana azy any amin’ny mpanjifa, sy ny firehana politika hiadanian’ny tena. Tsara ny milaza fa efa nitana andraikitra goavana teo amin’ity asa fanaovan-gazety ity, ingahy Louis Bernad Rakotomanga, ary matahotra ny ho avin’ny asa fanaovan-gazety raha mitohy ny fihetsiky ny mpanao gazety sasany manafangaro ireo andraikitra roa ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS