Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 04h50
 

Malagasy

Fihaonamben’ny mpanao politika

Handray anjara ny hery rehetra

mardi 9 décembre 2008 | Naivo kely

Ny 17 desambra izao no hanaovana ilay fihaonamben’ny antoko politika rehetra eto Madagasikara. Fanambaran’ny filoha Ravalomanana tany Nosy -be io omaly. Handray anjara amin’io avokoa ny antoko rehetra. Nantsoina ihany koa ny Fiarahamonim-pirenena sy ny Fiangonana, satria raharaham-pirenena no atao. Izay tsy afaka ny hanatrika izany, dia azo atao an-tsoratra ny soso-kevitra ka apetraka eny anivoan’ny Mediatiora izany.

« Sahia mifanatrika ka asakasakareo tsy handray anjara amin’io », hoy ny filoham-pirenena. « Aoka izay ny resabe an-gazety fa andeha hiresaka. Maika ny fampandrosoana sy fandriam-pahalemanana, ary ny hevitry ny maro no mahataka ny lavitra ». Manantena ny filoha fa handray anjara avokoa ireo mbola misalasala tsy hanatrika ny ady hevitra amin’ity indray mitoraka ity.
Ny sabotsy teo, dia nivory tetsy amin’ny foiben’ny antoko AKFM ny antoko mahatratra 18 avy amin’ny mpanohitra. Tanjon’izy ireo ny hanambarana ny hevitra amin’ity antso ny fitondrana ity. Malailay fonosana avokoa ny ankamaroan’ny mpandray anjara. Ny tao amin’ny CRN dia nilaza nilaza ingahy Taber fa : « ny fampihavanam-pirenena aloha no maika. Ahoana no hamoahana hevitra amin’io fihaonana io, nefa ny mpitarika antoko maro any am-ponja » ? Hatreto, dia mbola samy mikaon-doha any amin’ny misy azy avokoa ny antoko sy fikambanana rehetra, ka ho hita eo ny tohiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS