Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 04h07
 

Malagasy

Mijapy TGV ny mpanohitra

vendredi 19 décembre 2008 | Naivo kely
Ireo lohandohan’ny mpanohitra.

Velom-bolo ny antoko mpanohitra rehetra, fa niroso hiara-dia hiseho vahoaka amin’izy ireo ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina. Ity ben’ny tanàna ity tokoa mantsy sisa hany fanantenan’izy ireo afahana mamory vahoaka eto an-dRenivohitra.

Vonona ity tovolahy kely vao erotrerony ity, hanao sorona ny ainy, hitarika iretsy antoko politika efa goaika antitra hisedra ny mafy rehetra amin’ny hambara ho tsindry hazo lena ataon’ny mpitondra ankehitriny. Ny profesora Zafy Albert no tsy tazana tetsy amin’ny Hotel La Rotonde ny alarobia teo, fa ny ankoatra izay, dia nifanotrona tamin’ity ben’ny tanànan’Antananarivo ity avokoa. Toa mampahatsiahy ny tenin’ireo olona maro nandritra ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna teo iny ny tranga ankehitriny, izay milaza fa ny mpanohitra no ao ambadiky i Andry Rajoelina.

Manodidina ny 65% ny vato azony nahatonga azy ho tafakatra eo amin’io toerana io. Mihasarotra ny hambara ho ankivy mahazo ity ben’ny tanàna ity eo amin’ny lafiny maro. Ampy izay ho izy, ka hiroso amin’ny fananganana ny « Kianjan’ny demokrasia » ny lehilahy. Ny teo amin’ny kianjan’ny 13 mey no nambara ho kianjan’ny demokrasia hatramin’izay, saingy io hiarahana mahita io ny asa goavana atao eo amin’ny fanarenana ny lapan’ny tanàna.

Nitady toko ka sendra vato

Any amin’ny andry TGV avokoa no maka hery ny antoko rehetra. Fitakiana izay hitoviana no nahatonga ny fiarahana. Raikitry ity, fa tsy misy mihemotra intsony hoy ireo antoko politika mivondrona ao amin’ny mpanohitra ireo. Tsy ny fisokafan’ny tele VIVA ihany anefa no fototry ny firaisana, fa ny zo fototra ahafahana miteny amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Ny tsy fahaiza-mitantanana ataon’ny mpitondra ankehitriny amin’ny lafiny maro, dia isan’ny antony amin’izao hetsika izao. Iarahan’ny maro mahalala anefa fa maro amin’ireto mpanohitra mitambatra ireto no mbola milaza fa tsy filoham-pirenena i Ravalomanana. Ny hafa dia ny fitakiana ny fialany eo amin’ny fitondrany no tanjony. Tsy tanteraka anefa ireo rehetra ireo, satria tsy taitra tamin’izany ny mponina teto an-dRenivohitra. Mpanao politika efa teo amin’ny fitondrana avokoa ireo ka efa hita ny nataony hoy ny hafa. Tsy vitsy kosa anefa ireo mankasitraka ny firaisan-tsaina eo amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanao politika toy izao. Nitady toko tokoa ny mpanao politika ka sendra vato. Izay nahita dia nanambara fa mijapy TGV ny mpanao politika efa tsy nahazaka vahoaka.

Hanaiky ve ny TGV ?

Etsy ankilany, dia be no misalasala amin’izao fidiran’i Andry Rajoelina ao anatin’ny vondromben’ny mpanohitra izao. Toa lasa fitaovana ho an’izy ireo mantsy ity filoha mpitarika ny TGV ity. Iza no tsy mahalala fa mbola tanora i Andry Rajoelina, ka raha tojo ny tanjona hiriany ny sasany amin’ny mety ho fivadihan’ny toe-draharaham-pirenena, moa tsy olon-kafa ve no hiravaka ny vanginy ? Toa mbola kely taona ihany mantsy ny lehilahy. Tsy zoviana amin’ny maro, fa misy antoko somary ratsy toerana teto amin’ny firenena ihany tafara-dia aminy amin’izao famondronan-kery izao. Ny mitambatra anefa vato, ka ho hita eo izay hivadika ho fasika amin’ny ora farany.

Izay manan-tsofina aoka hiaino

Miha-mafana andro aman’alina ny fianam-pirenena eto amintsika. Tsy ho takona afenina ireo hetsika isan-karazany ireo, na toa aza ka tsy omena ny haino aman-jerim-panjakana ny tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. Mety hisy akony amin’ilay fivoriana iraisam-pirenena izay ho atao eto amintsika manomboka ny taona ho avy io ity raharaha ity. Tokony tsy hisy hery hinia hikipy manoloana izao savorovoro izao eto amin’ny firenena. Izay manantsofina aoka hiaino, ary hisy vaha-olana matotra irasina. Tsy hisy ahita tombontsoa amin’ny mety mbola hisian’ny korontana eto. Ny vy tsy mikitrana irery fa ao raha. Aoka ahatsapa ny mpitondra, fa misy taraina hafa maharary ny fiaraha-monina any. Ny mpanao politika hafa ihany koa tsy ahay hametraka ny tena tombontsoam-pirenena. Miandry izay ho avoakan’ny ampitso isika rehetra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS