Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 03h50
 

Malagasy

Lalàna hifehy ny antoko politika

« Aza ampiesonina ny vahoaka » hoy i Tabera

lundi 8 décembre 2008 |  710 visites  | Naivo kely

Tsy maika io sata hifehy ny antoko politika io, raha tsy miroso amin’ny fampihavanam-pirenena isika. Ny antony, dia ny filoha mpitarika antoko maro no migadra any am-ponja amin’izao fotoana izao. Lalàna inona no ho vita amin’izany ? Ny CRN dia efa nanambara fa resaka fandaniana andro fotsiny io. Misy antony manery an-dRavalomanana tsy maintsy hanao io hoy ihany ingahy Tabera Andriamanantsoa izay isan’ny mpikambana mavitrika ao amin’ity CRN tarihan’i Profesora Zafy Albert ity. Hiezaka handresy lahatra ny antoko politika eto izy ireo, mba hiara-hitaky ny fampihavanam-pirenena aloha, vao mandinika zavatra hafa. Ny ratra navelan’ny raharaha 2002 tsy sitrana koa sata hifehy ny resaka politika no maika amin’ny hafa. « Aza ampiesonina ny vahoaka, fa tsy bado akory izy ireo », hoy ity mpanao politika iray ity ny asabotsy teo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS