Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 20h31
 

Malagasy

Vono olona teny Ivato-Aéroport

Tafavoaka ilay nahavanon-doza

samedi 13 décembre 2008 | Naivo kely

« Mahalasa adala ve ny mamono olona ? Mety ho eny, ary azo atao tsara ny mody adala mba hialàna amin’ny mety ho figadrana ». Io no nambaran’ity renim-pianakaviana iray, vao namoy ny zanany teny Ivato-Aéroport ny volana Aprily lasa teo.

« Vono olona niniana natao no nahafaty ny zanako. Ny tena mampalahelo, dia olona mpitandro ny filaminana mpiaro olona ambony iray eto amin’ny firenena no nahavita ny heloka. Ny volana Aprily lasa teo no voatifitra ny zanako tao amin’ny trano fisotroana iray teto Ivato Serananana. Asa na resa-behivavy no nahatonga ny fitifirana, fa nitsoaka avy hatrany ity mpitandro ny filaminana ity raha vao nahafaty ny zanako. Tifitra niniana natao io. Ny volana Jiona lasa teo no tratra tany Antsirabe ity zandary ity, hoy ihany ny reniny raha nitantara ny tranga tamin’ny mpanao gazety. Naiditra am-ponja vonjy maika izy io, rehefa avy nandalo fampanoavana. Ny mampalahelo, dia efa tafavoaka ny fonja sahady izy io ankehitriny, ary voalaza fa adala ity lehilahy ity, ka izay no anton’izao famoahana azy ny fonja izao. In-dimy niakatra teny anivon’ny fitsarana ny raharaha, saingy mbola tsy nisy didy nivoaka », hoy ramatoa Hanta renin’ilay maty nitatitra ny alahelony. Mangataka ny Fitondrana mahefa sy ny Fitsarana, ity renim-pianakaviana ity, mba hijery akaiky izao tranga izao, satria toa heverin’ny sasany fa tsy misy vidiny ny ra nalatsany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS