Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 19 mars 2024
Antananarivo | 10h44
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Fanompoam-pirenena

    mercredi 11 novembre 2015 | Soamiely Andriamananjara | 15 commentaires |  3831 visites
    Asa raha tsikaritrareo fa ohatry ny miverimberina matetika, tato ho ato, ny resaka momba ny hoe tokony amerenana indray ny “Service National” (na anatiny na ivelan’ny tafika; na an-tsitrapo na an-tery), fa amin’ny endriny vaovao. Mety tsara ho dinihina akaiky sy resahina milamina io hevitra io. Sendrasendra tafaresaka tamina-Rangahy manan-kaja sy malaza iray izay aho tamin’iny herinandro lasa teo iny. Raha jerena amin’ny ankapobeny dia azo lazaina fa mandeha tsara ny fiainany — na eo amin’ny (...)
  • Fifidianana kaominaly sy monisipaly : fanambarana iombonana

    (CDE, GEN, KMF-CNOE, LIBERTY 32 sy SEFAFI)

    lundi 31 août 2015 | 1 commentaire |  2075 visites
    Iray volana izay no lasa taorian’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly teto Madagasikara. Sarotra ho anay fiarahamonim-pirenena malagasy ny hitatitra ao anatin’ny andininy vitsivitsy ny zavatra tsikaritra rehetra tamin’izany. Ny sasany taminay, manam-pahaizana manokana mikasika ny fanaraha-maso ny fifidianana, dia efa namoaka fanamarihana vitsivitsy. Nanoina ny antson’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fanapariaham-pahefana koa izahay mikasika an’izay handimby ny CENI-T – Komitim-Pirenena Mahaleo (...)
  • Fanjakan’i Baroa sa Fitondran’ny Barofo ?

    mardi 4 août 2015 | Soamiely Andriamananjara | 16 commentaires |  3701 visites
    Tato ho ato dia miverimberina matetika eny ambavan’ny namana mpanara-baovao ny hoe korontana lavareny tsy misy fiafarany ny eto Madagasikara, ka mila fanitsiana ara-drafitra kitakitana. Vaky barara ny mpiondana resaka politika fa toa zary lasa fitondrana baranahiny tsy misy lalána no mijoro, toa fitondrana tsy mahafehy ny tany sy ny fanjakana, hany ka lasa manao izay danin’ny kibony ny mpitondra ary manao izay saim-patany ny vahoaka. Moa va tsy izany no antsoina hoe Fanjakan’i Baroa? Rehefa (...)
  • Hevitra

    KATSO-22

    vendredi 5 juin 2015 | Soamiely Andriamananjara | 3 commentaires |  2438 visites
    Asa ianareo raha efa namaky ilay bokin’i Joseph Heller hoe Catch-22. Tamin’ny ady lehibe faharoa no niseho ny tantara. Nisy miaramila vitsivitsy nilaza tamin’ny lehibeny fa tsy te hiantafika. Dia namaly ny komandy fa tsy olana izany fa afaka misafidy ny tsy ho any antsahanady ireo izay tsy te ho any raha toa ka mahafeno ny fepetra. Mila manantona mpitsabo fotsiny izy dia mangataka fitiliana hanaporofoana fa mitapy na adala. Misy fandrika kely anefa fonoson’io fepetra io: matoa ilay miaramila (...)
  • Hevitra

    Miverina indray ilay ambodia mitafy hodin-janak’ondry

    vendredi 13 septembre 2013 | 3 commentaires |  2883 visites
    Nilaza azy ho tia tanindrazana, mpiaro ny mpitrongy vao homana (marxiste), mpiaro ny tany madinika (tiers-mondiste) hatrany Atoa Ratsiraka tamin’ny taona 1975. Raha nikabary izy anefa tamin’ny taom-baovao 2001 teny Iavoloha (jereo Madagascar Tribune tamin’ny 13 janoary 2001) dia nibaboka fa tsy sitrapony velively izany. Fisehoana ivelany fotsiny ihany satria efa nosafidian’i Lafirantsa,amin’ny maha-zanaka PADESM azy,izy hitazona ny tombontsoany (i Lafirantsa) taorian’ireny hetsi-bahoaka tamin’ny (...)
  • FANAMBARANA SY ANTSO

    Avy amin’ny « Raiamandreny Mijoro »

    samedi 29 mai 2010 | 8 commentaires |  2814 visites
    Izahay raiamandreny vitsivitsy, izay nihaona ary niara-nidinika dia miray fo sy tery am-panahy hampita aminareo mpiray tanindrazana aminay izao fanambarana sy antso izao : Iza moa izahay ? Raiamandreny vitsivitsy eo amin ‘ny fiaraha-monina sy ny fivavahana ary ny sokajin’andraikitra samihafa izahay. Samy hafa ihany koa ny faritra niavianay. Tsy mitovy ny firehankevitra anananay. Tsy misolontena ny antokom-pivavahana na ny faritra niavianay avy koa fa miteny amin’ny maha raiamandreny anay. (...)
  • Zandarimariam-pirenena

    Raharaha FIGN sy hetsiky ny mpitondra fivavahana

    samedi 22 mai 2010 | 2 commentaires |  3806 visites
    Indray andro taorian’ny fifandonana namoizana ain’olona teny amin’ny Hery Vonjy Taitra Fort-Duchesne (FIGN) ny Alakamisy 20 may 2010 dia olona 10 no voasambotry ny Emmo/Reg tarihin’ny Kolonely Richard RAVALOMANANA noho ireo fandikan-dalàna tsy azo noleferina nataon’izy ireo. Ny Lietenà Kolonely ANDRIANJAFY Raymond izay nitarika ireo mpioko teny an-toerana dia efa eo am-pelan-tanan’ny Sampam-pikarohana Heloka Bevava (Section de recherche Criminelle) Fiadanana miatrika ny famotorana miaraka (...)
  • Razana tsy tafiditra tao am-piangonana

    samedi 14 novembre 2009 | 9 commentaires |  8218 visites
    Nodimandry tamin’ny Alarobia maraina i Ramose Donà, mpampianatra TAJEFI an’ny kilasy faha-3 ao amin'ny lycée Saint-Antoine Andravoahangy. Androany Zoma 13 novambra tamin’ny 12 ora no voatondro hialàn’ny razana tao an-tranony tao Soamanandrariny ary saika hentina hanomezamboninahitra an’Andriamanitra sy hatao veloma farany tao amin'ny EKAR Soamanandrariny alohan’ny handevenana azy any Ambatomanga. Marihina fa Komity ao amin’io Eglizy io ity olona nodimandry ity, ary mpitarika ny Tampikri ao amin'ny (...)
  • Kolontsaina

    Atrik’asa fizarana traikefa momban’ny bà gasy

    jeudi 12 novembre 2009 |  3714 visites
    Betsaka ny tanora mankafy ny Kalon'ny Fahiny. Te hahafantatra sy hifehy ny Ba Gasy. Sahirana ihany anefa izy ireo satria tsy tena mahafantatra sy mahafehy izany. Mora kokoa mantsy ny mamantatra ny hiran'ny avy any ivelany voizin'ny haino aman-jery andro aman-alina noho ny mamantatra ny Kalon'ny Fahiny sy ny Ba Gasy izay miha vitsy ny mahafehy sy mivoy azy, eny na dia ny eto an-toerana aza. Vakomanitra malagasy feno sy an'ny Malagasy tanteraka anefa ny Ba Gasy. Manana ny maha izy sy (...)
  • Taratasy misokatra

    lundi 6 avril 2009 | 27 commentaires |  4837 visites
    Tsy telo izay iray fa telo ray. Malagasy telo Dada. Malagasy telo Baba. Malagasy telo Dadilahy. Malagasy telo Raiamandreny. Sambatra be isika Malagasy. Sambatra mihitsy isika raha samy sambatra amin’ny vahoaka sy ny Firenena manerana ny tany. Tena tsara ary tiako be ny soso-kevitr’i Alain ANDRIAMISEZA tamin’ny Invité du Zoma omaly tamin’ny TV Plus nanoloana an’i Onitiana REALY. Hoy izy : “Mitodika amin’ireo Prezidà telo lahy voafidim-bahoaka “ara-dalàna” ny masontsika Malagasy tsivakivolo”. Tsy iza (...)
  • Fenoarivo Atsimondrano

    Mpangalatra kamio 6 no voasambotra

    jeudi 2 avril 2009 | Rakotoarilala Ninaivo |  1571 visites
    Voasambotr’ireo Zandary ao amin’ny Brigade Fenoarivo, ireo olon-dratsy miisa 06 nangalatra kamio iray teny Fenoarivo ny alahady 29 marsa. Niray tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy ny mpiambina ity fiara ity. Efa tena maty paika avokoa ny tetika hamoahana ny fiara satria efa vita daholo ny taratasy sy ireo laharana vaovao saika apetaka aminy. Vola 2 tapitrisa Ar no nifanarahan’ny mpangalatra sy ny mpiambina, ary dia nisy mihitsy ny taratasy nataon’ny roa tonta amin’ny fandraisana io vola io. (...)
  • Hevitry ny OTRIKAFO

    Ny momba ny flotement na ny MID

    jeudi 2 avril 2009 | 13 commentaires |  3029 visites
    Ity misy courbe ny ariary miohatra amin’ny Euro. Tsara ho fantatra sy tsara ho fantarina ny ho vokany. Eo anatrehan'ny olana ara-bola miseho eo amin’ny fitondrampanjakana ankehitriny, dia ny tsy fisian'ny vola avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra noho ny fanapahan-kevitr'izy ireo hampihantona aloha ny famatsiam-bola an'i Madagasikara, dia iaraha-mahita ny vokatr'izany ao anatin'izao rafitra mbola avela hanan-kery eto amintsika izao : io miakatra io ny devises matanjaka (euros sy dollars), (...)
  • Taom-baovao malagasy

    Ny lasa sy ny ankehitriny

    mardi 31 mars 2009 | Arena R. | 1 commentaire |  6835 visites
    Mahabe fanontaniana ny momba « Taom-baovao » Malagasy. Noho izany indrindra dia nanao fanadihadiana momba ny tantarany izahay. Tsotra ihany ny tanjona: « Mba tsy ho tompon-trano mihono ny isika Malagasy ». Lohahevitra maromaro no resahina amin’izany: « Ny tantaran’ny taom-baovao Malagasy », « Ny fomba amam-panao » ary « Ireo sakantsakana maro samy hafa…»: Ny « Asaramanitra » dia vinaky toy izao «Asara», midika hoe volana; «Manitra» arak’izany dia manentohento, mahasarika ny orona. Ny Asaramanitra izany, (...)
  • Marc Ravalomanana

    Hafatra 29 marsa sy ho an’ny mpanohana ny « ara-dalàna »

    lundi 30 mars 2009 | 10 commentaires |  2863 visites
    Fiarahabana ny Vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana tratry ny 29 martsa no afatra saika alefan’i Marc Ravalomanana ny asabotsy 28 martsa lasa teo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Tsy raikitra anefa izany ka dia nalefa tamin’ny onjapeo ilay hafatra. Fankasitrahana sy fiarahabana « Miarahaba anareo amin’izao ankatoky ny fankalazantsika ny tsingerintaonan’ny faha 29 martsa 1947, tolom-panafahana nataon’ireo zoky ray amandrenintsika 62 taona lasa izay. Mbola misy amin’izy ireo miara miriaria mahita (...)
  • Rivo-doza Izilda

    Maro ny tra-boina any Morombe

    samedi 28 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo | 1 commentaire |  1074 visites
    Vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Izilda tany amin’ny Distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana dia maro ny fahasimbana hita tany ant-oerana. Vaky ny «digue de protection» tao Ambahikily ka olona 700 no tra-boina ary 623 Ha ny tanimbary tototry ny fasika. 123 ha ny tanimbary dibo-drano ary 642 ny tra-boina tao Andranomainty, 245 ha ny tanimbary dibo-drano tao Tanandava, 321 ny tra-boina tao Tongarahaba, 535 ny tra-boina tao Ambalaroa, 438 ny tra-boina tao Ankilimahabo, 740 ny tra-boina tao (...)
  • Besalampy

    Ady amin’ny halatr’omby

    vendredi 27 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo | 1 commentaire |  1023 visites
    Andian-dahalo mpangalatra omby mpampihorohoro ny faritry Besalampy sy Ambatomainty ary Maintirano no ravan’ny Zandarimariam-pirenena ao Besalampy ny 25 marsa 2009 lasa teo. Nanao andiany miisa valo izy ireo izay nirongo basim-borona roa ary nanafika sy nangalatra omby miisa dimapolo (50) tao Analalava, fokotany Antanambao, kaominina sy distrika Besalampy ny 25 marsa 2009 tamin’ny 12 ora atoandro. Avy hatrany dia nanao ny fanarahan-dia ny dahalo ny zandary telolahy miaraka amin’ny fokonolona (...)
  • Kianjan’ny demokrasia

    Niresaka mivantana i Marc Ravalomanana

    jeudi 26 mars 2009 | 22 commentaires |  2736 visites
    Herinandro katroka ny tsy nahenoana azy dia nifandray an-telefaonina tamin’ny vahoaka malagasy, indrindra ireo mpomba azy manerana ny nosy, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Raha vory toa ny fanaony, nanomboka ny sabotsy 21 martsa, teo amin’ny Kianjan’ny demokrasia ireto mpiaro ny ara-dalàna sy tsy manaiky ny fitondrana tetezamita noho ny fakana an-terisetra ny fanjakana, dia niresaka tamin’izy ireo avy any Swaziland ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Toa izao izany resaka nifanaovany (...)
  • Fibaikona alika

    Fanatontosana fitsangatsanganan’alika

    mardi 24 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo | 2 commentaires |  1190 visites
    Tontosa ny alahady 22 martsa 2009 ny hetsika nataon’ireo mpibaiko alika miisa 18 mianadahy mivondrona ao anatin’ny Fikambanan’ireo Mpibaiko Alika nivoaka teo anivon’ny Zandarimariam-Pirenena (Association des Maîtres Chiens Sortant de la Gendarmerie Nationale na AMCSGN). Fitsangantsaganana an-tongotra (randonnée)izy io, ary nahavitana halavirana 10 kilometatra, niala teny amin’ny Tobin’ny ESCAPARA IVATO nihazo an’i Mandrosoa, Ambohidratrimo, Ialanana, Bout de piste, Antsambilo ary Mamory-Ivato. (...)
  • Taom-baovao malagasy

    Hankalazaina ny faha 26 martsa indray !

    samedi 21 mars 2009 | Arena R. | 4 commentaires |  5275 visites
    Taom-baovao Malagasy ! Toa vaovao amin’ny sofina ihany, indrindra ho an’ireo taranaka ankehitriny. Nefa dia zavamisy ary efa niainana tokoa. Hay ve ? Ankalazaina indray izy ankehitriny, efa taona vitsivitsy mantsy eh, saingy tsy re tsaika toy ny saka fotsiny ny fankalazana hatramin’izay. Tsy fantatra loatra izay nahazo ireo mpikarakara, ry zareo ao amin’ny Trano Koltoraly Malagasy, fa dia amin’ny fomba manetriketrika no hanatontosana ny lanonana amin’ity taona ity. « Ny faha-26 martsa amin’ny (...)
  • Zandarimaria

    Mitohy ny fiofanana

    samedi 21 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo | 2 commentaires |  721 visites
    Hiditra ny 22 marsa 2009 izao ny andiany faha-15 amin’ny “CSC” (Cours supérieur de commandement) eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, izay ahitana manamboninahitra ambony teratany malagasy 12 mirahalahy, ary hanampy azy ireo ny teratany “togolais” efatra mirahalahy, izay ho avy tsy ho ela. Hiditra torak’izany koa ny andiany faha-17 amin’ny mpiofana ho komandin’ny tobim-paritry ny zandarmaria (17ème CPCB: Cours de perfectionnement des commandants de Brigade) miisa 35 mirahalahy. Ankoatr’ireo dia (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 900

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS