Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 14h01
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Tapatapany

    samedi 17 janvier 2009 |  1694 visites
    Tsy ho avy etsy Ambohijatovo i Lianah. Nambaran’ity mpanan-kanto ity, fa any Mahajanga ny tenany amin’izao fotoana izao, ka tsy hanafàna ny hetsiky ny mpanohitra etsy Ambohijatovo. “Diso ny fitanisana ny anarako amin’ny fiantsoana vahoaka etsy Ambohijatovo”, hoy ihany i Lianah. Vita ny asa nataon’ireo andrim-panjakana mpanao lalàna roa teto amintsika. Ampiharin’ny fanjakana avy hatrany izany ireo lalàna ireo manomboka izao. “Maika ve ny fandinihana nataon’ireto depiote sy loholona ireto”, hoy ny (...)
  • Politika sy vaky fonja

    Manamaloka ny risim-pon’ny vahoaka

    samedi 17 janvier 2009 | Naivo kely |  700 visites
    Rehefa tsy naha-taitra ny maro ny fanehoan-kevitra politika hatramin’izay, dia ny gadra indray no nanao ny nataony. Teo no naha-rarakivy ny ambanilanitra, satria ireo nahavanon-doza teo amin’ny mpiara-belona no tafavoaka ny fonja nitazomana azy. Samy mailo ny ankamaroan’ny mponina amin’ny asa andavan’andro izay ataony. Ity fikasan’ny hafa hamerina ny lasa amin’ny alàlan’ny fihetseham-bahoaka ity, dia efa zava-doza ho an’ireo mitady harapaka isan’andro. Asa inona tokoa no ho vita ao anatin’ny (...)
  • Kianjan’Ambohijatovo

    Hifandroritana ny anarana

    samedi 17 janvier 2009 | Naivo kely |  1193 visites
    Toerana tsara, sady talaky maso ny kianja etsy Ambohijatovo. Tsy atao mahataitra raha ifandrombahan’ny olona ho atao sehatra ifanankalozan-kevitra. Ireto ireo anarana efa napetraka ho anaran’ity kianja ity. Natao ho “Kianjan’i Laha Gaston” izy io ny taona 1992, rehefa avy nifampitifitra tamin’ny mpitandro ny filaminana teny Soanierana ny federalista. Maty tamin’io ingahy Laha Gaston, ary notakian’ireo mpitolona tamin’izany ny ametrahana ny anarany. Ny mpitantanana ny kaominina teto kosa, dia (...)
  • Miteny ny mpanao politika

    Novelesin’i Moxe kanota i Radidy sy Andry TGV

    vendredi 16 janvier 2009 | Naivo kely |  3307 visites
    “Ampiharo ny lalàna ho an’izay mandika izany. Olona efa namotika ny vahoaka tamin’ny taona 2002 ve no mbola omena sehatra mandritra ny 41 minitra, ary mbola milaza indray Ratsiraka tao amin’ny fahitalavitra VIVA fa mpisandoka fahefana ny mpitondra ankehitriny”. “Tsy azo ekena izany”, hoy ny loholona Moxe Ramandimbilahitra. Fananan’olontokana ve no hanaovan’ingahy Andry Rajoelina ny mponina eto an-dRenivohitra fitaovana. Ny mampalahelo, hoy i Moxe Ramandimbilahitra, dia ny fanasan’ny filoha (...)
  • Raharaham-pirenena

    Aza faly mamafy korontana

    vendredi 16 janvier 2009 | Naivo kely |  1711 visites
    Inona no fomba hanjonoana ny fon’ny vahoaka eto an-dRenivohitra, Tsy hay, fa ny tsapa, dia misy olona mikarama mamafy lainga hambabo ny fon’ny vahoaka eto. Saika isan’andro vaky izao no handrenesana ny feo manaitra ny hambom-pon’ny mponina eto mba hitodika any amin’ingahy ben’ny tanàna. Tsaroan’ny maro tsara andro vitsy lasa izay ny nandefasana tsaho tao anatin’ny fotoana fohy, fa ho samborina « hono » ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina. Diso avokoa ny vaovao, ary azo adika ho fitsapana ny fitiavan’ny (...)
  • Andraisoro • Ady amin’ny herisetra

    Hanao jobily ny « Tambohobe »

    vendredi 16 janvier 2009 | Manou |  615 visites
    Fokontany isan’ireo natahorana nohon’ny herisetra efa nahazo faka tao amin’ny fiaraha-monina nisy teny ny tao Andraisoro, ao amin’ny faritry ny boriborintany faha-5 ao Antananarivo-Renivohitra hatramin’izay. Antony nivondronan’ireo tanora tao an-toerana izay toe-javatra izay taty aoriana, hamongorana ny tarazo ratsy nisy. Tafajoro ara-panjakana ary ny fikambanana « Tambohobe » notarihin’i Rabenjamina William tany amin’ny taona 2001 tany ho any, ary nametraka ho tarigetra io ady atao amin’ny herisetra (...)
  • Tapatapany

    vendredi 16 janvier 2009 |  1141 visites
    Isan’ireo mpitarika hetsika ao Paris ny mpanan-kanto “Petsam-bava”. Voalaza fa efa tamin’ny taona 2005 izy no namorona hira amin’ny tsy fankasitrahana ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena eto Madagsikara, saingy tsy nisy nandefa izany ny haino aman-jery samy hafa eto an-toerana. Manohana ny hetsika atao etsy Ambohijatovo araky ny nambarany tamin’ny haino aman-jery iray ny heviny momba izany. Nifarana omaly ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ireo parlemanta roa mpanao lalàna eto amintsika. (...)
  • Fahasalamam-bahoaka

    Soa fa nandalo ny filoha

    vendredi 16 janvier 2009 | Naivo kely |  737 visites
    Manomboka anio ny asa fanatsarana sy fanadiovana ny hopitaly etsy Befelatanana. Fanamboarana ireo efitra maro sy ny fandrakofana tara ny tokontany rehetra ao amin’ity hopitaly be eto an-dRenivohitra ity. Ny fahasalamana no voalohan-karena. Ny tsapa anefa toa tsy izay no hita eto. Vokatry ny tsy fahafahan’ny marary mitsabo tena noho ny halafon’ny fanafody. Ny tsy fahalavorariana ny toerana misy azy ireo. Ny avonavon’ny mpikarakara marary hafa. Manaiky isika fa misy ny ezaka isan-karazany mba (...)
  • Fonjan’i Tsiafahy

    Tonga lapan’ny demokarsia

    jeudi 15 janvier 2009 | Naivo kely |  1584 visites
    Hita ao Tsiafahy avokoa ny hery nandray anjara tamin’ny raharaham-pirenena rehetra teto Madagasikara. Na miaramila, na sivily, na depiote, ben’ny tanàna teo aloha, eny fa hatramin’ny manamboninahitra nisahana ny filaminana rehetra teo amin’ny tanindrazana aza. “Gadra politika” Raharaha politika no nahatonga azy ireo ho tafaray ao amin’ity fonja be ity. Samy manana ny fomba ho entiny hilazana ny fihaonan’izy ireo ao ny maro, ka ny filazana ho “gadra politika” no hamehezana izay voalaza rehetra. Tsy (...)
  • Tapitra ny fampitandremana

    Any amin’ny TGV sy ny AVI ny baolina

    mercredi 14 janvier 2009 | Naivo kely |  2005 visites
    Inona no hitranga ? Io no fanontaniana mipetraka ao an-dohan’ny maro. Tapitra omaly tokoa ny fe-potoana nomen’ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina, ny mpitondra fanjakana hanokafany ny haino aman-jery izay nakatony, ka isan’io ny fahitalavitra VIVA. Voakasika ao anatin’ny fangatahany napetrany ho an’ny fanjakana ihany koa ny fanajana ny zon’olombelona sy ny demokrasia. Mihorohoro ny ankamaroan’ny mponina raha vao dila ilay daty 13 janoary omaly. Miandry izay ho ataon’ny mpanao politika ny rehetra. (...)
  • Depiote tsy miankina

    Atody miady amam-bato

    mercredi 14 janvier 2009 | Naivo kely |  784 visites
    "Tsy izay rehetra aroso eo anoloanay, dia holaniana avokoa. Hitsipaka ilay tolo-dalàna izahay ary manana saina handinika sy hamakafaka ny rariny sy ny hitsiny ny depiote ka aoka tsy ho ampitoviana amin’ireo mpanara-drenirano”. Depiote Haja voafidy tany Tsiroanomandidy no nanambara izany. Efa nisy ny fotoam-pivoriana nataon’ireto depiote tsy miankina ireto, ka hiroso amin’ny fitsipahana ilay tolo-dalàna izy ireo. Marina fa misy lafiny maha-tsara ilay fandrafetana ny lalàna hifehy ny antoko (...)
  • Pierre Houlder

    Ny kajikajy politikan’ny Arema

    mardi 13 janvier 2009 | Naivo kely |  1685 visites
    Niala tsy ho sekretera jeneralin’ ny antoko Arema i Pierre Houlder. Noraisin’ingahy Pierrot Rajaonarivelo indray ny fanevan’ity antoko ity, na dia any ivelany aza no misy azy. Tsy taitra amin’ny raharaha anatin’ity antoko ity ny rehetra, fa ny mahazendana, dia ny filazana fa noraisin’ny SG teo aloha manao sesin-tany ny tenany any ivelany indray ilay andraikitra goavana efa nolaviny teo aloha. “Mandeha ny kajikajy politikan’ny antoko Arema”, hoy ny mpitazana, satria mety tsy hampiray hina ny (...)
  • Tapatapany

    mardi 13 janvier 2009 |  473 visites
    Nanomboka omaly ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny loholona sy depiote. Handinika ny fantsiana ny lalàm-panorenana sy ny lalàna hifehy ny antoko politika eto Madagasikara izy ireo. Milaza hanara-maso tsara ireto lalàna ireto depiote tsy miankina raha naneho ny heviny tamin’ny mpanao gazety. Tapitra anio ny fe-potoana nomen’ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina, ny mpitondra fanjakana hamaliany ny fitakiana nataon’izy ireo. Dila ny misasaka alina, dia handray ny fepetra ve izy ireo ? Tsy fantatra (...)
  • Asa fanaovan-gazety

    Tsy mampihemotra ny ramatahora

    mardi 13 janvier 2009 | Naivo kely |  756 visites
    Asa masina ity asa ity, ka aleo maty toy izay tsy hilaza ny marina. Isan’ny fanehoan-kevitra nataon’ny namana mpanao gazety maro io, omaly raha nandre ny fahavoazana nianjady tamin’ny namana Rolly Mercia ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny toy izao no vao mainka hametrahana ny firaisan-kina eo amin’ny samy mpanao gazety. Ekena fa samy manana ny fomba fampitany ny vaovao ny rehetra, saingy ny maha-asa iray ity asa ity no jerena sy hamafisina. Vanim-potoana mafana izao eo amin’ny sehatry ny (...)
  • Karama farany ambany

    Ampiakaro ho Ar 200.000, hoy ny SVS

    mardi 13 janvier 2009 | Naivo kely |  828 visites
    Tsy mifanaraka amin’ny vidim-pianana ny karama farany ambany. Ilaina noho izany ny hampiakarana ny karama farany ambany ho Ar.200.000, hoy ny SVS (Sendikalista Vaha-olana Sahaza”, izay tarihan’ingahy Razanajatovo Prosper. Mihena hatrany amin’ny 350% ny fahefa-mividin’ny mpiasa. Mandia fotoan-tsarotra noho izany ny fiainan’ny mpiasa Malagasy. Misy ireo ezaka ataon’ny fanjakana, saingy mbola ny fitakiana tamin’ny taona 1960 no mbola hiainana ankehitriny. Mitaky fa tsy manery ny SVS, ary efa nisy ny (...)
  • Faritra iva

    Misy mitady hanao fitaovana politika

    mardi 13 janvier 2009 | Naivo kely |  683 visites
    Samia tonga saina amin’izao fahantrana izao isika. Ampy izay ka aleo manova toy izay ho ataon’ny sasany fitaovana fitadiavam-bato lava izao. Ireo no teny entin’ny andian’olona mitety trano sy fivarotana ho mariky ny firaisan-kina eny anivon’ny faritra iva. Tsy voazava mazava kosa anefa na hiaraka amin’ny mpanohitra ankehitriny, na hiaro ny fitondrana no tena tanjon’ireto andian’olona ireto. Ny tsapa kosa anefa, dia nanambara ireo olona ireo, fa rehefa tonga ny “Top”, dia tokony tsy hisy (...)
  • Vavaka tetsy Mahamasina

    Notaterina tamin’ny fiara ny mpino

    lundi 12 janvier 2009 | Naivo kely |  1569 visites
    "Raha misy mivavaka roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany Aho”. Ho entina am-bavaka ny firenena, ary izay no niantsoana ny olona maro samy hafa, mba hanatrika ilay fotoam-bavaka nokarakarain’ny kaominina teto an-dRenivohitra omaly, niaraka tamin’ny antoko mpanohitra eto Madagasikara. Maro no nanohina ny antso, satria nisy tamin’ireo mpivavaka no notanterina tamin’ny fiara mandroso sy miverina mba hiara-hidera ilay Nahary. Mby tonga ao an-tsain’ny rehetra ny fanontaniana hoe, fa angaha ny (...)
  • Fanodikodinam-bola

    Talen-tsekoly nihinam-bolan’ny FRAM

    lundi 12 janvier 2009 |  496 visites
    Vola Ar. 3 200 000 no nahodikodin'Atoa Jeannot, talen'ny EPP ao Tanambao Sotema. An'ny FRAM io vola io, fomba maromaro no nampiasainy nazahoany io fitambarany io. An'isan'izany ny fitakiana ny Ar. 3000 isan-jaza, izay nosoniaviny ho fanamarinana ny fahazoany azy. Teo koa no porofo nahatratrarana azy. Tsy nanaiky mora izao toe-javatra izao ny filohan'ny FRAM. Mazava ho azy fa nametra-pitarainana tany amin'ireo manam-pahefana mikasika izany izy ireo. Rehefa natao ny famotorana tamin'ity tale (...)
  • Ralison Roger

    Kivy tamin’ny nahazoana ny Force One

    samedi 10 janvier 2009 | Naivo kely |  1456 visites
    Maika ve ny nividianana ilay fiaramanidina manokan’ny filoham-pirenena? “Tsia, hoy i Ralison Roger, satria tokony fampiakarana ny farim-piainan’ny vahoaka no maika. Vahoaka miaina ao anaty fahantrana, nefa ny mpitondra toa misonanika amin’ny Force One tsara tarehy mitety faritra, ary hitety firenena”. “Azo atao tsara ny mandeha fiara 4x4”, hoy ity filohan’ny PRM ity. “Raha hitety firenena indray, dia eo ny Air Madagasikara na ny fiaramanidina hafa afahana mitsidika ny firenena hafa. Ny mampalahelo, (...)
  • « Fiverenana Andoharano »

    Aleo hilamina dia misesy

    samedi 10 janvier 2009 | Penjy R. |  754 visites
    Mbola misy raiamandreny azo hianteherana ve etoamin’ny firenena? Tsy ho avelanay ho potiky ny ady an-trano ny firenena Malagasy, hoy ny komity nasionaly mpamolavola “Ny “Fiverenana Andoharano”. Ny volana Aogositra no efa nanao antso avo teto amin’ny tanindrazana izahay, ka nahatonga ireo olobe isaky ny faritra nanao kaikavo ireo fotsy volo, toy ny tany Amoron’i Mania, ny hazo lava toy ny tany Toliara, ny tany Toamasina nanao barara. Midika izany, fa tsy hisy hifandraisany amin’ny hetsika politika (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS