Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 09h04
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Rahara MBS Anosipatrana – Kaominina

    Napetraky ny MBS eny amin’ny fitsarana ny raharaha

    samedi 24 janvier 2009 |  1895 visites
    Araka ny vaovao farany dia nandefa vadintany teny amin’ny MBS teny Anosipatrana ny Kaominina, nampahafantatra ny mpanofa ny tanin’ny Kaominina fa tapaka ny fifanarahana satria tsy nanaja ny fifanarahana. Raha nanontaniana momba izany ny tao amin’ny MBS dia nanazava fa : « Araka ny fanambaran’Atoa Andry Rajoelina tamin’ny kabariny teny Ambohijatovo tamin’ny Sabotsy faha 17 janoary dia nisy « échange de services » ho solon’ny vola (redevance) tokony haloan’ny MBS any amin’ny kaominina. Ny fifanarahana « (...)
  • Tapatapany

    samedi 24 janvier 2009 |  1059 visites
    “Miaro izao fitondrana izao ny zanaky ny Repoblika voalohany”. Io no nambaran’ingahy Franck Ramaroson, satria ny fitondrana ankehitriny no nanome lanja ny zanaky ny Repoblika voalohany. Misy olon’ny Repoblika voalohany ihany koa ao anatin’izao fitondrana izao, toy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny. Tsy mankasitraka ny endrika izay miseho eto an-dRenivohitra izao ihany koa izy ireo. Nandefa ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ny MBS momba nyfandroahan’ny kaominina (...)
  • « Fikambanana miaro ny demokrasia »

    Arovanay ny 53% azon-dRavalomanana

    samedi 24 janvier 2009 | Naivo kely |  1426 visites
    “Aza atao resabe ny demokrasia, fa tena ampiharo”. Io no nambaran’ny fikambanana vao nijoro vonona hiaro ny filoha Ravalomanana. Ny antony, dia lany tamin’ny isam-bato 53% manerana an’i Madagasikara ny filoha Ravalomanana, ary 63% kosa ny an’i Andry Rajoelina izay teto an-dRenivohitra monja. “Ho atao tsinotsinona ve ny safidin’ireo vahoaka maro be manerana an’i Madagasikara, hoy ity fikambanana vonona hampihatra ny tena demokrasia ity. Ninia nangina izahay tao anatin’izay andro maromaro izay, ary (...)
  • Ivohasina Razafimahefa

    « Atsaharo ny lainga »

    vendredi 23 janvier 2009 |  2434 visites
    Mampiakapeo ny mpanohana ny mpitondra ankehitriny ary mampitandrina ny ankilany hoe “atsaharo ny lainga ary aza mamita- bahoaka”. Hoy indrindra i Razafimahefa Ivohasina, sekretera jeneralin’ny Tiako i Madagasikata momba ny raopilanina Air Force II : “fampiasam-bola tahaka ny fampiasam-bola rehetra (investissement) ny fiaramanidina ; efa nahitana vokatra lehibe maro izany toy ny nahazoan’i Madagasikara ny fampiantranoana ny Fivoriana an-tampon’ny Union Africaine sy ny Firenena miteny frantsay.” (...)
  • Korontana eto an-dRenivohitra

    Misy malahelo raha maty ny afo

    vendredi 23 janvier 2009 | Naivo kely |  2414 visites
    Be izay resaka efa nandeha avy amin’ny filoham-pirenena sy ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra izay, nefa mbola tsy hita fiafaràna ny mety hisian’ny marimaritra iraisana. Toa ny vahoaka fotsiny no voky resaka, fa ny fampiharana azy no mbola tsy hita. Nitondra ny fanehoan-keviny momba ireo fitakiana ataon’ny ben’ny tanàna ny filoha Ravalomanana raha nitsidika ny faritra iva sy ny HJRA ny alarobia teo. Nohazavainy amin’ny antsipiriany teny imasom-bahoaka ireny resaka nilam-baliny ireny, toy ny (...)
  • Faritra iva

    Milaza ny heviny ireo mponina

    vendredi 23 janvier 2009 | Naivo kely |  1314 visites
    “Avelao ho an’ny mpanao politika ny tolona izay tiany atao, fa avelao izahay hitady sakafo”. Teny hentitra nataon’i Rampanoelina, mipetraka etsy 67ha Atsimo io. “Tsy rototra amin’izay tranga miseho izahay, satria tsy hisy hanome sakafo anay ireo raha tonga eo amin’ny tanjona iriany. Ny hatsembohanay hatrany no nisian’ny sakafo ao anaty vilaninay, fa tsy misy mana avy any an-danitra”. “Tsy hampiova ny fiainanay dimy mianaka ny fitarihana olona hirotaka etsy Ambohijatovo”. Io no nambaran-dRasoarinoro (...)
  • Gisèle Rabesahala

    « Hanjakan’ny be marenina ny tanàna »

    jeudi 22 janvier 2009 | Naivo kely |  1955 visites
    “Minia manampi-tsofina ny fanjakana foibe manoloana ny sakantsakana ataony amin’ny kaominina eto Antananarivo-Renivohitra, ka eo no mahatonga ny fihetseham-bahoaka ankehitriny. Azo atao tsara anefa ny misoroka izany, raha toa ka navela hiasa am-pilaminana ny ben’ny tanàna. Efa ela no tsikaritra io fifandonana teo amin’ny mpitondra sy ny kaominina io, ary tsy nety niravona ny olana. Tsy ho gaga isika raha vahoaka maro be no tonga nihaino ny ben’ny tanàna ny sabotsy lasa teo, satria hetsika ho (...)
  • Tapatapany

    jeudi 22 janvier 2009 |  768 visites
    Tsy nisy lalàna nanakatona ny radio tsy miankina any Manakara. Diso ny vaovao naely teto an-drenivohitra. Fampitandremana ny mpanao gazety tsy hitarika vahoaka ho amin’ny fikomiana no anton’ilay fampitandremana. Niantso ny mponina hanao andrimasom-pokonolona ireto namana mpanao gazety ireto, ary taorian’izay, dia naorin’ny tompony ireo fitaovana fampiodinana ny radio, mba hisorohana ny mety ho fakan’ny mpitondra any an-toerana izany. “Vonona ny vehivavy manohana ahy, hoy ramatoa Nadine Ramaroson, (...)
  • Fametraham-pialan’ny minisitra

    Tsy mpiasan’ny TGV ny fanjakana

    mercredi 21 janvier 2009 | Naivo kely |  2285 visites
    Tonga ny ora nangatahan’ny mpitarika ny TGV teny Ambohijatovo, amin’ny tokony hametraham-pialan’ny minisitra roa ao anaty governemanta. “Tsy hiala izahay”, hoy iretsy farany, ary isan’ny nanambara io ny minisitry ny Vola, Hajaniriana Razafinjatovo. Aorian’ny tsy fahombiazan’ny fitakian’i Andry Rajoelina miaraka amin’ireo mpanara-dia azy, dia hisy ny fepetra ho raisin’ireto farany, saingy mbola tsy fantatra izay ho ataon’izy ireo amin’izany. Mbola fitakiana hilaina valiny hatramin’ny sabotsy izao ihany (...)
  • Andrianjaka Rajaonah sy ny raharaha « Daewoo »

    « Mitovy ny « déchets nucléaires » tamin’ny andron’i Pr. Zafy »

    mercredi 21 janvier 2009 |  1337 visites
    Na dia tsy mbola misy zavatra voasonia aza, araka ny voalazan’ny fitondra-panjakana, ny amin’ity resaka iray tapitrisa hekitara mahery ho an’i Daewoo ity dia efa diso ny mpitondra », hoy Andrianjaka Rajaonah, mpitarika ny fikambanana OTRIKAFO. « Raha tadidintsika dia vao resaka « pourparlers » na fifanatonana fifampiresahana fotsiny ny nitranga tamin’ny andron’ny Pr. Zafy Albert sy Pastera Andriamanjato Richard dia efa nokianina mafy sy nolavina. Ny antony dia satria efa noheverina fa adisoana eo (...)
  • Radio tsy miankina

    Mihorohoro ny mpiasa

    mercredi 21 janvier 2009 | Naivo kely |  1206 visites
    Mafàna manaraka ny raharaham-pirenena ny fandrahonana haino aman-jery eto amintsika. Iny niarahana nandre iny fampitandremana nataon’ny fanjakana ny radio Viva, izay voalaza fa mitarika ny olona hanongam-panjakana. Teo ihany koa ny fandrenesana ny fanakatonana ny radio “Ravinala” any Manakara omaly. Taorian’ireo, dia mihoroho ny mpiasan’ny haino aman-jery samy hafa. Mikasika ny vaovao avoakan’ireny haino aman-jery samy hafa ireny, izay mety tsy ahafa-po na ny andaniny na ny mpomba ny ankilany. (...)
  • Hetsim-panoherana

    Hiverina tsy ho ela ireo nitsao-ponenana

    mardi 20 janvier 2009 | Naivo kely |  2220 visites
    Andro sisa isaina, dia vonona ny hitodi-doha eto an-tanindrazana ireo nitsoam-ponenana any ivelany. Ireo voakasiky ny raharaha 2002, ireo mikasa hody eto Madagasikara ireo. Ao anatin’ny hetsim-panoherana eto an-dRenivohitra izay tarihan’ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina, no anton’ity fiverenana ity. Andro maro lasa izay no efa nitsirian’izay fikasana hody eto Madagsikara izay, saingy mbola tao ny tahotry ny hisian’ny fisamborana ataon’ny mpitondra ankehitriny raha vao migadona etsy Ivato. (...)
  • TGV Antsirabe

    « Miandry Top, dia … »

    mardi 20 janvier 2009 | Naivo kely |  1786 visites
    «Na dia mbola any an-dRenivohitra ihany aza no misy ny fikambanana TGV, dia efa vonona ny anay eto Antsirabe». Io no nambaran’i Haja Elima, satria efa saika niditra ho isan’ny TGV avokoa ny mpikatroka amin’ny antoko sy fikambanana maro ao amin’ity faritra ity. Tsy mbola nisy aloha hatramin’izao filazan’ny filoha mpanorina ny fikambanana ny hanaparitahana ny TGV any amin’ny faritra, saingy efa mangetaheta izany ny maro. Misy ny fivoriana matetika ao an-drenivohitry Vakinankaratra ao, ary mifantoka (...)
  • FCD

    Aparitaka manerana ny faritra

    mardi 20 janvier 2009 | Naivo kely |  818 visites
    Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena. Toy izany koa ny fametrahana ny FCD (Force pour le développement de la démocratie) tarihan’ingahy Alain Ramaroson any amin’ny faritra samy hafa eto Madagasikara. “Mihetsika izahay manao io asa io”, hoy ingahy Jaques Aimé mpikatroka ao amin’ity fikambanana ity. Ho fanajana sy fitakiana ny hampiharana ny tena demokrasia eto Madagsikara no anton’izany, hoy izy ireo. Làlana iray ahafahana mifampitaiza ny voarakitra ao anatin’ilay sata novolavolain’ireto mpikambana (...)
  • Fitokanana ny kianjan’ny demokrasia

    Miomana ny handray fanjakana i Andry Rajoelina

    lundi 19 janvier 2009 | Naivo kely |  2271 visites
    “Ampy izay ny jadona, mitrakà ry vahoaka Malagasy, fa tonga ny fotoana hialantsika ao anatin’ny fampihorohoroana”. Io no teny nentin’ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra, Andry Rajoelina, nanokatra ny arahaba tamin’ny vahoaka tonga teny Ambohijatovo ny sabotsy maraina teo. “Vahoaka mitraka miala ao anatin’ny fanangejana no eto manomboka izao. Izay no antony nametrahana ity “Kianjan’ny demokrasia ity, mba ahafahan’ny rehetra maneho hevitra”. Hoy ihany izy. Nipetraka nandritra io sabotsy io indray, ny (...)
  • Fanambarana

    lundi 19 janvier 2009 |  1468 visites
    Fanambarana Manoloana ny zava-misy eto an-drenivohitra ankehitriny, dia nisy ny sahoandresaka sy fanononana, ary ny fampiasana ny anarako tetsy sy teroa. Noho izany, dia manao izao fanambarana izao aho : Izaho dia nanaja tanteraka ny safidim-bahoaka taorian'ny fahareseko tamin'ny fifidianana 12 desambra 2007 farany teo Fanabeazana ho amin'ny fampandrosoana no nimasoako hatramin'izay, koa miangavy an'ireo izay mitady hanoso-potaka, ka minia mampiasa ny anarako amin'ny zavatra tsy (...)
  • TVM sy MBS

    Fahavalon’ny mpanohitra

    lundi 19 janvier 2009 | Naivo kely |  1704 visites
    Ho avy izahay hiaraka amin’ny vahoaka, raha afenina ao amin’ny TVM ny marina momba ny hetsi-bahoaka. Teny heno tetsy Ambohijatovo io ny sabotsy teo. Raha nijery fahitalavitra tokoa ny maro ny alin’io, dia tsy nandeha ity hambara ho fitokanana ny “Kianjan’ny demokrasia” teny Ambohijatovo ity. Midika avy hatrany izany, fa handray ny andraikiny ny mpanohitra. Mety hisy ato ho ato, fakana ankeriny io haino aman-jerim-panjakana io izay ho ataon’ny mpanohitra. Endrika efa fahita hatramin’ny nisian’ny (...)
  • Ivan Randriasandratriniony

    Mazava ny resaka

    lundi 19 janvier 2009 | Naivo kely |  1314 visites
    “Mitady ny fomba rehetra handrombahana fahefana ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra Andry TGV. Mipoitra avokoa ankehitriny ny tetiny hanaovana izany, ka ny fametrahana kianjan’ny demokrasia no lalana iray heveriny fa hidirana amin’io fandrombaham-pahefana io. Tsy misy afa-tsy ny fifandimbiasan-toerana amin’ny alàlan’ny fifidianana ihany anefa raha te-hampanjaka izany demokrasia izany”. Io no nambaran’ny filohan’ny antenimieran-doholona, Randriasandratriniony, manoloana ny hetsika politika mitranga (...)
  • Endrim-panoherana eto an-dRenivohitra

    Handray ny andraikiny ny fanjakana

    lundi 19 janvier 2009 | Naivo kely |  1553 visites
    Inona no hitranga ? Samy maminavina ny mety ho tohiny isika, satria tsy fitakiana fe fitakiana no ataon’ny mpanohitra, fa efa fanonganam-panjakana. Ny antony dia ireo fitakiana maro tsy maintsy ho tanterahin’ny fanjakana amin’ity herinandro ity. Ny fanjakana efa nampitandrina ireo minia manakorontana, indrindra ireo mianan-kendry amin’ny fanonganam-panjakana isan-karazany. Nipoitra iny ny hevitry ny ben’ny tanàna, ary heno fa handray ny andraikiny tandrify azy ny fanjakana. Tsy hiteny izahay hoe (...)
  • Feon’ny mpamaky

    Taitra irery vao mamaky takotra

    samedi 17 janvier 2009 |  1534 visites
    “Miala tsiny aho re raha mba hanao tora-po kely ato amin’ity gazety iray ity. Ny antony re tompoko, dia ny fahatsapana, fa raha vao voakitika ny fananan’ingahy ben’ny tanàna, dia izay izy vao taitra amin’ny fitakiana efa nataon’iretsy mpanao politika iretsy efa hatramin’ny ela. Tsaroanareo tsara tompoko ny fitarainana nataon’ireo mpanao politika ireo nanambara fa tsy misy fiarovana ny zon’olombelona eto, ary manjaka ny jadona. Namory vahoaka tetsy sy teroa izy ireo, saingy tsy nietsi-bolo-maso (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS