Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 12h20
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Fihetsehan’ny mpianatra any Antsiranana

    Voasambotra ny telo, hitohy anio ny filaharana

    vendredi 11 mai 2007 | Naivo kely |  172 visites
    Tsy ahitana filaminana mihitsy ny ao Antsiranana ao satria mpianatra telo indray no voasambotry ny mpitandro ny filaminana omaly maraina. Niainga tao amin’ny Oniversite tao Antsiranana ny laharan’ny mpianatra ary nihazo ny toerana misy ny Lycée Zafy Albert ry zareo mba handrava ny tao amin’ity toeram-pianarana ity. Teo no nisian’ny fifanjevoana satria noraran’ny mpitandro ny filaminana teo anivon’ny EMMO NAT ny filaharana. vokany dia io mpianatra miisa telo io no voasambotra. Rava niaraka (...)
  • Mahajanga

    « Mandry tsy lavo loha ny mponina »

    vendredi 11 mai 2007 | Tsievhanta |  193 visites
    Tsy dia mandry loatra ny fahalemana raha eto antampon-tanànan’i Mahajanga no resahana. Ny Alarobia hariva lasa teo ohatra dia nandeha ny resaka fa hirotsaka andàlam-be ireo antoko mpanohitra ny fitondrana. Nikorontana ny saim-bahoaka noho io resaka niely eran’ny tanàna io. Nisy rahateo koa ny fampiantsoana ireo mpivarotra eny an-tsenan’i Mahabibo teny amin’ny lapan’ny tanàna, nanambarana azy ireo mba tsy hivarotra entana betsaka eny an-tsena eny iny hariva iny. Nandeha mantsy ny resaka fa mety (...)
  • Fikambanana « Tambatra »

    Hanao fivoriambe

    jeudi 10 mai 2007 | Naivo kely |  176 visites
    Hanao fivoriambe eto Antananarivo amin’ny sabotsy ho avy izao ny fikambanana « Tambatra » manerana ny Nosy. Fivoriambe voalohany ity hatao ity taorian’ny fifidianana filohan’ny Repoblika tamin’ny faran’ny taona 2006 iny. Misy ifandraisany amin’ny fanapahan-kevitry ny governemanta farany teo nandritra ny filan-keviny amin’ny fanambazana volabe Ariary 100 tapitrisa amin’ireo izay ahazoana vaovao ahafahana misambotra an’Atoa Pety Rakotoniaina izay filohan’ity fikambanana ity sy mpanorina ihany koa no (...)
  • Mpianatra ho dokotera

    « Politika famonoana afo »

    mardi 8 mai 2007 | Naivo kely |  168 visites
    Namoaka fanambarana tamin'ny faha 5 mey teo ny minisitra roa dia ny fahasalamana sy ny fampianarana nilaza fa miatomboka anio ny fandoavana ny « indemnité de stages hospitaliers » ho an'ny mpianatra ho dokotera eny Ankatso. « Indemnités » tamin'ny taona 2006 io aloa anio io. Izao no azo dia vokatry ny fihatrehina fanairana nataon'ireo mpianatra ho dokotera tamin'iny herinandro iny. Mihetsika mitaky izay anjara « Indemnités » izay tokoa ireto mpianatra ireto vao gaga ny maro, hay mbola tsy voaloa (...)
  • Mahajanga

    Tsy tanteraka ny fivoriana ny Asabotsy lasa teo

    lundi 7 mai 2007 | Tsievhanta |  193 visites
    Ireo mpitandro filaminana no nameno ny toerana saika hivorian'ireo mpanohana ny « Tsia » ny Asabotsy 5 May lasa teo. Teo akaikin'ny « Jeunesse et Sport » moa no toerana saika hanaovana fihaonana. Ireo saika hivory kosa dia nihainohaino teny lavitra teny na dia somary maromaro ihany izy ireo. Tamin'ny telo ora sy sasany no tokony nanombohan'ny fivoriana. Dila ihany io fotoana io, nefa tsy nisy fivoriana tanteraka. Ireo lohandohan'ny mpisorona kosa dia tazana nikaon-doha teny ho eny. Ny antony (...)
  • PSDUM

    Tandindomin-doza ny firaisam-pirenena

    jeudi 3 mai 2007 |  180 visites
    Manoloana ny zava-nitranga nandritra ireny fihetseham-bahoaka tany Toliara, Antsiranana, sy Toamasina ireny ka nisian’ny fampihorohoroana, fandravana ny fhetsiketsehana, fitifirana ary fanamborana ireo rnpanao fihetsiketsehana, ny Antoko Sosialista sy Demokratika ho Fampiraisana eto Madagasikara (ASDFM/PSDUM) dia manao izao fanambarana manaraka izao : Tandindomin-doza ny firaisam-pirenena noho ireo zava-niseho ireo; voahitsakitsaka tanteraka ny demokrasia sy ny fahalalahana satria tsy avela (...)
  • Fihetsiketsehana

    Tsy vahaolana ny fisamborana

    jeudi 3 mai 2007 | Naivo kely |  179 visites
    Maro ireo ankolafin-kery sy olona ankehitriny no miantso fifampidinihana manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena. « Tsy vahaolana ny fisamborana », hoy ny fanambarana heno avy amin’ny maro. Tsy vitsy ihany koa ireo maneho hevitra fa vao maika maha-sarotra ny toe-draharaha ny fampiasana herisetra na avy amin’ny andaniny na ny ankilany izany. Tsy tokony ho hamavainina velively ny fitakiana ataon’ireo mpianatra hoy ireo parlementera maromaro nandritra ny fisokafan’ny fotoam-pivorian’izy (...)
  • Mara Niarisy

    « Miditra amin’ny jadona ny fitondrana »

    mercredi 2 mai 2007 | Naivo kely |  215 visites
    Diso tanteraka ny fitondrana raha manambara fa miketrika adim-poko izahay mpanohitra raha hilaza ny zava-nisy tany Toliara ka nahatonga ny fisamborana ireo namanay nampidirina am-ponja.Ireo no nambaran’ny dépiote Mara Niarisy. Manazava izy : « matoa midina andalam-be tahaka iao ny vahoaka dia misy zavatra tsy zakany ao, toy ny delestazy, sy ny fanoherana ny vokam-pifidianana. Tokony hisy aloha ny fandraisana ny hevitry ny rehetra hoe inona marina no mahatonga izao hetsika andalam-be izao ? Tsy (...)
  • Hetsiky ny mpianatra

    Meteza ho eo ambanin’ny lalàna hoy ny Teza

    lundi 30 avril 2007 | Penjy R. |  213 visites
    Miditra amin'ny fanehoan-kevitra momba ireo hetsika miseho lany eto amintsika ry zareo Teza izay tarihan'ingahy Moxe Ramandimbilahatra. Mankasitraka ny fanoherana ataon'ny ankolafin-kery samy hafa ny tenany, satria efa tao anatin'ny fanoherana nandritra ny fotoana maro ny Teza, saingy aoka ahatsapa ny rehetra fa misy lalàna mifehy azy ity firenena ity. Momba ireo mpianatra manao fihetsiketsehana momba ny resaka delestazy, dia manao antso avo ingahy Moxe Ramandimbilahatra ny tokony hisian'ny (...)
  • Delestazy ao Toliary

    Tonga omaly ireo fitaovana matanjaka

    lundi 30 avril 2007 | Naivo kely |  236 visites
    Omaly alahady no nigadona tao Toliary ny milina manome herinaratra mahatratra 850 MW hanome herinaratra any an-toerana, ary mbola hisy masinina hafa ihany koa hanaraka ato afara miaraka amin'ny kojakoja samy hafa hanampy ireo. Io no nambaran'ny ministry ny Angovo Patrick Ramiaramanana manoloana ny fahasimban'ny fitaovan'ny Jirama ao Toliary. Fahavoazana ara-teknika no mitranga any amin'ity faritany ity ka tsy maintsy vaha-olana ara-teknika no atao, ary ho vahana haingana ny olana. Efa any (...)
  • Toliara

    1 no maty, maro ny naratra, nirehitra ny tanàna

    samedi 28 avril 2007 | Natty |  230 visites
    Mbola mitohy hatrany ny savorovoro ao Toliara. Araky ny vaovao voarainay avy any an-toerana omaly tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany hariva dia mbola mitohy ny sahotaka. Tokony ho tamin’ny 9 ora maraina tany ho any no nanomboka ny korontana izay notarihan’ireo mpanao politika tany an-toerana. Raikitra avy hatrany ny fifandonana teo amin’ireo mpitandro filaminana. Nipoka indray ny baomba mandatsa-dranomaso. Tora-bato no setrin’izany. Noho ny hamaroan’ny olona dia tsy voafehy intsony ny (...)

0 | ... | 720 | 740 | 760 | 780 | 800 | 820 | 840 | 860 | 880 | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS