Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 13h51
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Filoha Ravalomanana

    Niaiky fa ilaina ny tsikera

    vendredi 24 août 2007 | Naivo kely |  160 visites
    Nandritra ny lanonam-panokafana ny tsenabe tolo-tanana laika omaly teny amin’ny lapan’ny kolon-tsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina no nilazan’ny filoha Ravalomanana fa aza manantena ny hanao zavatra raha tsy misy ny tsikera. Midika avy hatrany io tenin’ny filoham-pirenena io fa ny tsikera izay hafafin’ny maro amin’izao no làlana iray hanitsina ny diha ka hirosoana amin’ny asa tokony hifanaraka amin’ny mety. Misy ny olona tsy sahy mitsikera na mifanohitra amin’io, ka aza gaga raha tsy misy asa (...)
  • Fisokafan’ny FPVM

    Mampisaraka ny samy mpino

    samedi 18 août 2007 | Naivo kely |  757 visites
    Omaly moa no nambara fa niverina nisokatra ho an’ireo mpino mpanaraka an’i Neny Justine ny fiangonana FPVM etsy Antaninanandrano, rehefa nakatona nandritra ny taona iray mahery noho ny fifanolanana nisy teo amin’ity fiangonana ity sy ny fiangonana FJKM. Fantatra ihany koa tamin’izany fotoana fa nisy ny olana anatiny tao amin’ity fiangonana FPVM ity satria toa nisintaka tamin’ny mpitandrina ny dimy tamin’ireo enina mpiandry izay mpitarika tao aminy. Tao aorian’ny fihaonanan’ireo mpiandry dimy (...)
  • « Iarivo mifaly »

    Kianjan’ny 13 mai : « Tsy ho lalao politika ihany »

    vendredi 17 août 2007 | Hery A., Volana R. |  227 visites
    Lalao iraisan’ny mponina, miaraka amin’ ny Lalaon’ny Nosy fahafito. Endrika vaovao indray no natolotry ny Fivondronan’Antananarivo Renivohitra (CUA). Endrika hafa sy seho tsy mitovy amin’ny hatramin’izay. « Tsy ho korontana politika na fangatahana fiovam-panjakana ihany akory - ary tsy ho izay intsony - no ho hita eo amin’ny Kianjan’ny 13 mai. Lalao sy fifaliana, firaisan-kinan’ny samy Malagasy sisa no tsara raketiny », hoy ny PDS Rafalimanana Hery. Lalao isan-karazany, fitsidihana an’i (...)
  • CRN (Comité de Réconciliation Nationale)

    Nanan-janaka ny fikambanana

    jeudi 2 août 2007 | Naivo kely |  133 visites
    Raha vao niakatra teo amin’ny fitondrana ny filoha Ravalomanana ny taona 2002, dia ny CRN notarihan’ny Profesora Zafy Albert no nanohitra ity fitondrana ity voalohany, ary nitaky ny hamoahana ireo gadra Politika sy ny hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena. Nirohatra niditra tao avokoa ny rehetra, saingy tato afara dia nanan-janaka ity CRN ity, ary teraka ny SPDUN, sy ny 3FN, ny MCSR. Tanjona iray ihany anefa no tao andohan’ny rehetra dia ny fidirana amin’ny fihaonambem-pirenena hametraka (...)
  • Gidragidram-pifidianana

    Mety hiala andaharana ny mpanohitra

    mercredi 1er août 2007 | Naivo kely |  227 visites
    Ampy izay ny fizarazarana eo amin’ny samy mpanohitra, fa ny firaisana no hery izay no tanjona. Io no hery lehibe manosika ny mpanohitra rehetra amin’izao, saingy mbola misy ihany ny fiahiahiana tsy mampiray azy ireo ankehitriny. Isan’ny hevitra nivoitra teo amin’ny fivorian’ny mpanohitra tato ho ato io, ka isan’izany ilay nitranga tetsy amin’ny foiben’ny antoko AKFM Andravohangy ambony omaly. Ny fampiharana ny bileta tokana, ny fametrahana amin’ny tsy miankina ny fandrindràna ny fifidianana, (...)
  • Raharahan’antoko

    Nahazo aina ny TIM, vizana ny CRT

    lundi 30 juillet 2007 | Naivo kely |  154 visites
    Mihazakazaka ny fitetezam-paritra ataon'ny antoko manao ny kongresim-paritra mialohan'ilay datin'ny 25 Aogositra hanaovana ny kongresy nasionaly ataon'ity antoko ity. Hitety ny faritra 22 ny filohany Razoarimihaja Solofonantenaina, ary ny raharaha anatin'ny antoko sy ny fifidianana izay atrehintsika tsy ho ela no voaresaka amin'io fitetezam-paritra io. Mazava ho azy fa mijery ifotony izay olona heverina fa harotsaka handray ny fahefana isam-paritra ihany koa ity antoko ity. Miha mahazo aina (...)
  • Raharaha fandoroana ny oniversite

    Naverina am-ponja i Ialy Rakotoniaina taorian’ny famotorana lalina

    vendredi 27 juillet 2007 | Nivo T. A. |  228 visites
    Mbola tsy notsaraina i Ialy Rakotoniaina, vadin’ny ben’ny tanànan’i Fianarantsoa teo aloha. Omaly izy no nentina tao amin’ny fampanoavana ary natao famotorana lalina. Mpianatra telo hafa voarohirohy tamin’ny raharaha fandoroana ny oniversiten’i Fianarantsoa no natao famotorana lalina niaraka tamin’i Ialy R. Mbola tsy fantatra aloha hatramin’izao izay fotoana hanaovana ny fitsarana ity raharaha ity. Taorian’ny famotorana nataon’ny mpitsara dia naverina any am-ponja i ialy R. sy ireo mpianatra telo. (...)
  • Toamasina : Oniversite Barikadimy

    Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso

    jeudi 26 juillet 2007 | Hery A. |  138 visites
    Rehefa sorena amin’ny fahatapahan-jiro ireo mpianatry ny oniversiten’ny Barikadimy ao Toamasina dia tsy naharitra fa nivoaka ny faritry ny oniversite ka nisakana ny làlam-pirenena faharoa. Nanomboka tamin’ny 8 ora alina no nitokona teo ireo ampahana mpianatra. Tonga ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-far nampiditra azy ireo ao amin’ny faritry ny sekoly saingy nifandrirarira teo aloha nandritra ny ora vitsy. Rehefa tsy nety niala ireo mpianatra, tamin’ny 10 ora alina tany ho any dia (...)
  • Halatr’omby tany Maintirano

    Lehibe-na distrika sy delegem-panjakana ao ambadika

    mercredi 25 juillet 2007 | Nivo T. A. |  147 visites
    Ravan’ny zandary tany amin’ny kompanian’i Tsiroanomandidy, vao tsy ela akory izay ny tambazotra mpangalatr’omby sy mpanadio omby halatra tany amin’ny faritra Maintirano. Tamin’ny volana mey lasa teo moa dia omby miisa 50 no voaroban’ny jiolahy. Notifirin’ny dahalo ny tompon’omby tamin’izay fotoana izay ka namoy ny ainy mihitsy. Nandeha ary ny fikarohana ka hita tany Mahitsy ny ampahany tamin’ireo omby halatra. Efa nahavitan’ireo mpangalatra taratasy avokoa moa izany saingy hosoka avokoa. (...)
  • Fandravana ny Antenimieram-pirenena

    Tsy hiatrika fifidianana ny AREMA

    mardi 24 juillet 2007 | Hery A. |  157 visites
    Manoloana ny fikasan’ny filoham-pirenena handrava ny Antenimieram-pirenena malagasy dia naneho hevitra atoa Raveloson Josefa, mpandrindra ny antoko AREMA ao amin’ny firaisana faha 4 ka nanambarany fa vokatry ny tsy fahadiovan’ny rivotra politika hatramin’ny taona 2002 no mahatonga ny ady an-trano hiditra tsikelikely eto Madagasikara. Ny vahaolana moa hoy ity mpanao politika ity dia ny fiaraha-midiniky ny fanjakana mivantana amin’ny antoko voakasiky ny olana toy ny antoko mpanohitra, ny AREMA. (...)
  • Fandravana ny antenimieram-pirenena

    Tafiditra amin’ny paipaikan’i TIM hoy ny MFM

    lundi 23 juillet 2007 | Naivo kely |  130 visites
    « Diavolan-kolava ny kilalao mbola ho ela , ary samy maranitra amin’ny tandrify azy». Sora-baventy nirantiranty nandritra ny fivorian’ny MFM teny Mandrosoa Ivato io ny sabotsy sy alahady teo. Ho fanohizana ny vovonana izay nataon’ny antoko MFM ny taona 2006 teo, dia nanao ny fivoriany ity antoko MFM ity, izay notarihan’ny filohany Manandafy Rakotoniriana, ary nahitana ny mpikambana avy amin’ny faritra 22 teto amintsika. Momba ny fandravàna ny antenimieram-pirenena ka hirosoana amin’ny fifidianana (...)
  • Voasambotra i Pety

    Hilalao vola be ny mpitandro ny filaminana

    vendredi 20 juillet 2007 | Naivo kely |  142 visites
    Fito volana mahery no nisitrihan’ingahy Pety Rakotoniaina tany rehetra tany, ka omaly tamin’ny efatra sy sasany no voasambotra tao Ambanimaso toerana ankaikin’ny sary masin’i Maria ka ahitana ala PIN, ary nandositra ka tratra tao Anendaka an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa ny tenany. Tsy lasa lavitra araka ny nambaran’ny sasany akory izy fa teo amin’ny manodidina teo ihany no nitampify tao an-tranon’olona, ary tsy nisy fifampitifirana nandritra ny fisamborana. Hampiakarina avy hatrany aty (...)
  • Herinaratra ao Toliara

    Natao veloma ny delestazy

    jeudi 19 juillet 2007 | Naivo kely |  137 visites
    Tafapetraka ao Toliara ary efa manomboka miasa ny Gropy lehibe an’i JIRAMA mitondra herinaratra 5 Mégawatts izay toky nomen’ny minisitry ny Angovo, Patrick Ramiaramanana fa tsy miasa amin’ity volana ity izany fitaovana izany. Herinaratra 4,5 MGW no ilain’ny Toliara izay midika avy hatrany fa manana ambim-bava izany ny any an-toerana momba ity herinaratra ity. Olana ara-teknika no niseho tany ka tsy maintsy vaha-olana ara-teknika ihany koa no amahana izany. Tsy mbola misy kosa anefa ny Gropy (...)
  • Roland Ratsiraka

    Tsy salama nefa mahazo aina !

    mercredi 18 juillet 2007 | Naivo kely |  143 visites
    Vita tanteraka ankehitriny ny fakana ambavany an’ingahy Ben’ny tanàna ao Toamasina teo aloha Roland Ratsiraka, rehefa avy nandalo ambaratongam-pahefana maro samy hafa. Tsy hidirana lalina ny fiampangana ity ben’ny tanana mpanao politika ity, fa Ambalatavoahangy aloha hatramin’izao no sakaiza tsy mahafoy azy. Tsy mbola fantatra ny fotoana hitsarana azy, fa isan’ny nangataka ny hivoahany ny fonja vonjy maika ny mpisolo vava ity ben’ny tanana mpanao politika ity saingy nolavin’ny mpitasara. Tsy hisy (...)
  • Pierre Andrianantenaina

    Hilatsaka ho filoham-pirenena

    jeudi 12 juillet 2007 | Naivo kely |  169 visites
    Tsy misy antony tsy hidirako amin’io sehatra io, satria raha ny hevitra aho manana betsaka, raha vola kosa ny an’ny sasany. Io no fanehoan-kevitra nataon’ingahy Pierre Andrianantenaina raha nivahiny tao amin’ny « Aceem Radio » ny tenany, ka nilazany fa hanomboka amin’ny fiomanana amin’izany ny tenany. Ny fahampahafantarana dieny izao ireo olana diavin’ny firenena no atao mialoha mba ahaizan’ny Malagasy mandinika tsara, na voafitaka izy na tsia. Ilaina ny fanovana dieny izao ny lalàm-pifidianana (...)
  • Ampanefena-Vohémar

    Niparitaka ny laza adina BEPC, nifampitadiavana ny mpampianatra

    jeudi 5 juillet 2007 | Nivo T. A. |  1245 visites
    Faritra maro teto an-drenivohitra no niparitahan’ny laza adina BEPC, nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo. Tany amin’ny faritra SAVA dia nanomboka ny zoma talohan’ny fiantombohan’ny fanadinana no nivoaka ny laza adina. Niainga tany Sambava izany laza adina izany ary tonga hatrany Vohémar sy Ampenefena. Araka ny vaovao azonay tany an-toerana, dia ny zoma 29 jiona no namory ny mpampianatra sy ny mpianatra kilasy faha-9, izay hiatrika fanadinana BEPC ny tompon’andraikitra tao amin’ny (...)
  • Mpiasam-bahoaka : Fidirana amin’ny 9 ora maraina

    Ny vahoaka indray no sahirana

    mardi 3 juillet 2007 | Hery A. |  169 visites
    Araka ny baikon’ny fitondram-panjakana dia nanomboka omaly alatsinainy ny fidiran’ny mpiasam-bahoaka sasany amin’ny 9 ora maraina, raha amin’ny 8 ora maraina teo aloha. Tsy miova ny ora 8 hiasana isan’andro, izany hoe mirava amin’ny 5 ora hariva, raha tamin’ny 4 ora teo aloha. Ho an’ny mpiasam-panjakana voakasik’ity ora vaovao ity dia azo lazaina ho tsy dia mampiova zavatra firy. Misy kosa anefa ireo ampahany izay afaka miaina aminy, saingy ny tombony amin’ny fanatanterahana ireo asa tsy (...)
  • Antoko AVI

    Nipoitra amin’izay !

    lundi 2 juillet 2007 | Naivo kely |  155 visites
    Ny zoma hariva nanomboka tamin'ny 5 ora no nivory teny amin'ny KOBAMA Soanierana ny antoko Asa Vita no Ifampitsarana, izay notarihan'ny filohany Norbert Lala Ratsirahonana. Nifantoka tanteraka momba ny zava-misy diavin'ny firenena ankehitriny ny laha-dinika tao, ary teo ihany koa ny fandraisana anjara manoloana ny fifidianana izay hatao atsy ho atsy. Taorian'ny fifidianana izay natao teto amin'ny firenena ny faha-3 Desambra teo izay nandraisan'ity antoko AVI ity anjara ho isan'ny mpilatsaka (...)
  • Trafika-na rongony mahery vaika

    Maorisiana, karana, afrikana, malagasy... miisa 10 no voasambotry ny polisy

    jeudi 28 juin 2007 | Nivo T. A. |  360 visites
    Rongony mahery vaika na « héroine » avy any Maorisy no nampidirin’ireo teratany maorisiana teto Madagasikara, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny polisy maorisiana sy ny polisy malagasy izay misahana ny zava-mahadomelina dia voasambotra ireo vahiny nanondrana izany rongony izany sy ireo mpandray, ary ny mpiray tsikombakomba azy ireo amin’ny fivarotana ny zava-mahadomelina teto Madagasikara. 10 no isan’izy ireo ka teratany maorisiana 5, kenyana ny roa, karana (...)
  • Antalaha

    « Bois de rose » 800 isa no tratra tao amin’ny mpandraharaha iray

    vendredi 22 juin 2007 | Nivo T. A. |  209 visites
    Na dia mbola manan-kery hatrany aza ny fampiatoana ny fitrandrahana hazo sarobidy toy ny « bois de rose » dia mbola misy hatrany ireo minia mandika izany lalàna izany. Afak’omaly, dia « bois de rose » miisa 800 no tratra tao amin’ny mpandraharaha iray tany Antalaha. Ny sasany tamin’ireo hazo ireo dia efa notehirizina tao anaty magazay ary ny ampahany kosa nalevina tao anaty lavaka ary avy eo nototofana fotaka. Nandritra ny fisafoana nataon’ny tompon’andraikitra tao amin’ny rano sy ala (...)

0 | ... | 720 | 740 | 760 | 780 | 800 | 820 | 840 | 860 | 880 | 900

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS