Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 19 mars 2024
Antananarivo | 06h16
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Fandrombaham-pahefana

    Izay mahavory vahoaka, dia afaka manonga-panjakana

    lundi 26 janvier 2009 | Naivo kely |  3780 visites
    Mazava ny resaka. Te-ho filoham-panjakana i Andry Rajoelina. Vonona ny hiroso amin’ny rafitra teteza-mita ny tenany, ka izy ben’ny tanàna no hitarika izany. Tsy mila mpanao politika ho ao ambadikany izy. Isan’ny teny heno teny amin’ny kianjan’Ambohijatovo izany ny sabotsy lasa teo. Vahoaka maro be no tonga nanohana ny antson’ny ben’ny tanàna, i Andry Rajoelina. Niainga ny hafanam-po ka ny fitaomana ny vahoaka hidina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey no niafaran’ny resaka. Kianja manan-tantara Izay (...)
  • Fanentanana ny mpiasam-panjakana

    Mba mahalalà menatra

    lundi 26 janvier 2009 | Naivo kely |  3299 visites
    “Nampanongo tena ny rehetra ny nahita an’ingahy Florentin, nikabary teny Ambohijatovo ny sabotsy teo. “Ny fanekena ny 10% fanondrotana nomen’ny fanjakana isan-taona, dia tsy ekena. Ny fitakiana ny hijerena ny mari-karama no tokony ho jerena maika, ary manomboka izao, dia akatso ny asam-panjakana rehetra”. Dia gaga ny maro raha nahita ireto nikabary teny Ambohijato. Iza no tsy nahalala an’ingahy Ramamonjisoa Florentin, fony vao niakatra ny fanjakana Ravalomanana, fa SG tao amin’ny minisiteran’ny (...)
  • Toko tapaka

    lundi 26 janvier 2009 | Naivo kely |  2167 visites
    Mitsingilaila ny fitondra foibe ankehitriny. Io dia noho ny hetsi-bahoaka izay miseho eto an-dRenivohitra, mba tsy hilazana fa mety hanerana an’i Madagasikara. Vokatry ny tsy fisian’ny fifampihainoana no anton’io, satria efa ela no nitaky fa misy tsindry hazo lena mitranga eto amin’ny firenena. Nipoaka iny ny sarom-bilany. Ny tohiny no tsy hay na hiparitaka hatramin’ny aty vilany, na tsia, fa ny azo antoka, tsy ho faty intsony ny afo efa niotrika tao am-pon’ireo mahatsiaro fangirifiriana teto (...)
  • Hetsika anio etsy Ambohijatovo

    Sora-baventy hanala ny filoha maro no efa vonona

    samedi 24 janvier 2009 | Naivo kely |  2352 visites
    "Mitondrà sora-baventy, sy rano ary lamba miloko volom-boasary”. Io no antso avo nataon’i ben’ny tanàna, Andry Rajoelina, ny alakamisy lasa teo. Efa fantatra ny mety hitranga saingy tsy hihemotra amin’izany isika”. Heno ary fa misy fikambanana iray, izay mikarakara manokana ny fanamboarana ny sorabaventy amin’ity anio ity. Fitakiana ny hialan’ny filoha Ravalomanana no betsaka amin’io sorabaventy io. Ny resaka fitakian’ny mpiasam-panjakana ihany koa, dia ho maro ao amin’ireto soratra ho lanjaina anio (...)
  • Hanorana sa hanavandra ?

    samedi 24 janvier 2009 | Naivo kely |  1308 visites
    Lasa lavitra ny hetsiky ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra sy ireo mpiara-dia aminy. Tsy fitakiana fe fitakiana tsotra intsony fa efa miroso any amin’ny fandrodanana ny fanjakana foibe mihitsy. Tsapa io amin’ireo fivoriana ataon’izy ireo etsy sy eroa. Tsy misy mihitsy finiavana hiroso amin’ny fiaraha-midinika, fa izao fitakiam-bahoaka izao no hany heno amin’ny resaka avoakan’ny vavany. Ankilan’izay, dia tsy mbola hay izay ho valin-kafatra ho asetrin’ny fanjakana izao. Na ho ela anefa na ho (...)
  • « Fikambanana miaro ny demokrasia »

    Arovanay ny 53% azon-dRavalomanana

    samedi 24 janvier 2009 | Naivo kely |  1425 visites
    “Aza atao resabe ny demokrasia, fa tena ampiharo”. Io no nambaran’ny fikambanana vao nijoro vonona hiaro ny filoha Ravalomanana. Ny antony, dia lany tamin’ny isam-bato 53% manerana an’i Madagasikara ny filoha Ravalomanana, ary 63% kosa ny an’i Andry Rajoelina izay teto an-dRenivohitra monja. “Ho atao tsinotsinona ve ny safidin’ireo vahoaka maro be manerana an’i Madagasikara, hoy ity fikambanana vonona hampihatra ny tena demokrasia ity. Ninia nangina izahay tao anatin’izay andro maromaro izay, ary (...)
  • Korontana eto an-dRenivohitra

    Misy malahelo raha maty ny afo

    vendredi 23 janvier 2009 | Naivo kely |  2413 visites
    Be izay resaka efa nandeha avy amin’ny filoham-pirenena sy ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra izay, nefa mbola tsy hita fiafaràna ny mety hisian’ny marimaritra iraisana. Toa ny vahoaka fotsiny no voky resaka, fa ny fampiharana azy no mbola tsy hita. Nitondra ny fanehoan-keviny momba ireo fitakiana ataon’ny ben’ny tanàna ny filoha Ravalomanana raha nitsidika ny faritra iva sy ny HJRA ny alarobia teo. Nohazavainy amin’ny antsipiriany teny imasom-bahoaka ireny resaka nilam-baliny ireny, toy ny (...)
  • Tanteraho fa azo atao !

    vendredi 23 janvier 2009 | Naivo kely |  1161 visites
    Raikitra ny fidinana ifotony ataon’ny fitondrana eny anivon’ny vahoaka. Fijerena mivantana ny asa tokony ho atao, mba ahafahan’ny rehetra miala ao anatin’ny fahasahiranana. Hifaninanan’ny andrim-panjakana sy ny olom-boatendry sy ny olom-boafidy ny toy izany. Tsara tokoa ity fomba fiasa vaovao ity, satria raha tsy nidina ifotony ny filoha Ravalomanana, dia tsy nisy mpitsetra ny fanamboarana ny hopitaly etsy Befelatanana sy ny HJRA Ampefiloha. Hanara-penitra ny asa, ary maro ireo fitaovana tsy (...)
  • Faritra iva

    Milaza ny heviny ireo mponina

    vendredi 23 janvier 2009 | Naivo kely |  1313 visites
    “Avelao ho an’ny mpanao politika ny tolona izay tiany atao, fa avelao izahay hitady sakafo”. Teny hentitra nataon’i Rampanoelina, mipetraka etsy 67ha Atsimo io. “Tsy rototra amin’izay tranga miseho izahay, satria tsy hisy hanome sakafo anay ireo raha tonga eo amin’ny tanjona iriany. Ny hatsembohanay hatrany no nisian’ny sakafo ao anaty vilaninay, fa tsy misy mana avy any an-danitra”. “Tsy hampiova ny fiainanay dimy mianaka ny fitarihana olona hirotaka etsy Ambohijatovo”. Io no nambaran-dRasoarinoro (...)
  • Gisèle Rabesahala

    « Hanjakan’ny be marenina ny tanàna »

    jeudi 22 janvier 2009 | Naivo kely |  1954 visites
    “Minia manampi-tsofina ny fanjakana foibe manoloana ny sakantsakana ataony amin’ny kaominina eto Antananarivo-Renivohitra, ka eo no mahatonga ny fihetseham-bahoaka ankehitriny. Azo atao tsara anefa ny misoroka izany, raha toa ka navela hiasa am-pilaminana ny ben’ny tanàna. Efa ela no tsikaritra io fifandonana teo amin’ny mpitondra sy ny kaominina io, ary tsy nety niravona ny olana. Tsy ho gaga isika raha vahoaka maro be no tonga nihaino ny ben’ny tanàna ny sabotsy lasa teo, satria hetsika ho (...)
  • Mitomany ny faritra

    jeudi 22 janvier 2009 | Naivo kely |  911 visites
    Tonga ny rivo-doza, ary manomboka manimba zavatra maro amin’ny toerana izay lalovany, ka mampitondra takaitra ny vahoaka maro. Potika ny trano sy ny tetezana tany amin’ny faritry Menabe, ary toy izany ny any Sava. Manomboka misy ny tra-boina, ary mandray ny andraikiny ny eo anivon’ny BNGRC. Miakatra ny rano, ary manomboka hita ny fahapotehan’ny voly isan-karazany. Tsy mbola misy ny aina nafoy, izay isaorana ilay nahary, fa ny biby fiompy kosa no voalaza fa nisy lasan’ny rano. Na eo aza izany, (...)
  • Fametraham-pialan’ny minisitra

    Tsy mpiasan’ny TGV ny fanjakana

    mercredi 21 janvier 2009 | Naivo kely |  2284 visites
    Tonga ny ora nangatahan’ny mpitarika ny TGV teny Ambohijatovo, amin’ny tokony hametraham-pialan’ny minisitra roa ao anaty governemanta. “Tsy hiala izahay”, hoy iretsy farany, ary isan’ny nanambara io ny minisitry ny Vola, Hajaniriana Razafinjatovo. Aorian’ny tsy fahombiazan’ny fitakian’i Andry Rajoelina miaraka amin’ireo mpanara-dia azy, dia hisy ny fepetra ho raisin’ireto farany, saingy mbola tsy fantatra izay ho ataon’izy ireo amin’izany. Mbola fitakiana hilaina valiny hatramin’ny sabotsy izao ihany (...)
  • Mandehandeha mahita raha

    mercredi 21 janvier 2009 | Naivo kely |  1049 visites
    Manomboka ny asa etsy Befelatanana. Nisento avokoa ny rehetra, tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana momba ny fanamboarana azy ity. Niara-niaky ny rehetra, fa tsy tao anatin’ny tetikasan’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny hanamboatra azy io, saingy rehefa nidina tampoka teny ny filoha Ravalomanana, dia niroso tamin’ny baiko hentitra ny hanamboarana izany hopitaly manana ny lazany izany. Tsy ao anatin’ny tetibolan’ny minisitera taona 2009 ny fisian’ny fanamboarana azy. Eny na dia miakatra (...)
  • Radio tsy miankina

    Mihorohoro ny mpiasa

    mercredi 21 janvier 2009 | Naivo kely |  1205 visites
    Mafàna manaraka ny raharaham-pirenena ny fandrahonana haino aman-jery eto amintsika. Iny niarahana nandre iny fampitandremana nataon’ny fanjakana ny radio Viva, izay voalaza fa mitarika ny olona hanongam-panjakana. Teo ihany koa ny fandrenesana ny fanakatonana ny radio “Ravinala” any Manakara omaly. Taorian’ireo, dia mihoroho ny mpiasan’ny haino aman-jery samy hafa. Mikasika ny vaovao avoakan’ireny haino aman-jery samy hafa ireny, izay mety tsy ahafa-po na ny andaniny na ny mpomba ny ankilany. (...)
  • Hetsim-panoherana

    Hiverina tsy ho ela ireo nitsao-ponenana

    mardi 20 janvier 2009 | Naivo kely |  2219 visites
    Andro sisa isaina, dia vonona ny hitodi-doha eto an-tanindrazana ireo nitsoam-ponenana any ivelany. Ireo voakasiky ny raharaha 2002, ireo mikasa hody eto Madagasikara ireo. Ao anatin’ny hetsim-panoherana eto an-dRenivohitra izay tarihan’ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina, no anton’ity fiverenana ity. Andro maro lasa izay no efa nitsirian’izay fikasana hody eto Madagsikara izay, saingy mbola tao ny tahotry ny hisian’ny fisamborana ataon’ny mpitondra ankehitriny raha vao migadona etsy Ivato. (...)
  • Very ny hasina maha-malagasy

    mardi 20 janvier 2009 | Naivo kely |  2422 visites
    Manimba zavatra ny politika. Tafiditra lalina amin’io anefa isika eto an-dRenivohitra, ary mifampiahiahy avokoa ny mpiara-belona rehetra. Fomban-javatra io, satria na ny mpivady aza tsy miray fandriana rehefa samy manana ny firehana arahiny ny andaniny sy ny ankilany. Ny tena mampalahelo tao anatin’izay andro vitsivitsy izay, dia ny fahaverezan’ny soa toavina maha-malagasy sahady eo amin’ny ankolafin’olona sasany. Voaivaiva ny raiamandrenin’ny firenena, dia ny filoha Ravalomanana izany. (...)
  • TGV Antsirabe

    « Miandry Top, dia … »

    mardi 20 janvier 2009 | Naivo kely |  1785 visites
    «Na dia mbola any an-dRenivohitra ihany aza no misy ny fikambanana TGV, dia efa vonona ny anay eto Antsirabe». Io no nambaran’i Haja Elima, satria efa saika niditra ho isan’ny TGV avokoa ny mpikatroka amin’ny antoko sy fikambanana maro ao amin’ity faritra ity. Tsy mbola nisy aloha hatramin’izao filazan’ny filoha mpanorina ny fikambanana ny hanaparitahana ny TGV any amin’ny faritra, saingy efa mangetaheta izany ny maro. Misy ny fivoriana matetika ao an-drenivohitry Vakinankaratra ao, ary mifantoka (...)
  • FCD

    Aparitaka manerana ny faritra

    mardi 20 janvier 2009 | Naivo kely |  817 visites
    Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena. Toy izany koa ny fametrahana ny FCD (Force pour le développement de la démocratie) tarihan’ingahy Alain Ramaroson any amin’ny faritra samy hafa eto Madagasikara. “Mihetsika izahay manao io asa io”, hoy ingahy Jaques Aimé mpikatroka ao amin’ity fikambanana ity. Ho fanajana sy fitakiana ny hampiharana ny tena demokrasia eto Madagsikara no anton’izany, hoy izy ireo. Làlana iray ahafahana mifampitaiza ny voarakitra ao anatin’ilay sata novolavolain’ireto mpikambana (...)
  • Fitokanana ny kianjan’ny demokrasia

    Miomana ny handray fanjakana i Andry Rajoelina

    lundi 19 janvier 2009 | Naivo kely |  2270 visites
    “Ampy izay ny jadona, mitrakà ry vahoaka Malagasy, fa tonga ny fotoana hialantsika ao anatin’ny fampihorohoroana”. Io no teny nentin’ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra, Andry Rajoelina, nanokatra ny arahaba tamin’ny vahoaka tonga teny Ambohijatovo ny sabotsy maraina teo. “Vahoaka mitraka miala ao anatin’ny fanangejana no eto manomboka izao. Izay no antony nametrahana ity “Kianjan’ny demokrasia ity, mba ahafahan’ny rehetra maneho hevitra”. Hoy ihany izy. Nipetraka nandritra io sabotsy io indray, ny (...)
  • TVM sy MBS

    Fahavalon’ny mpanohitra

    lundi 19 janvier 2009 | Naivo kely |  1701 visites
    Ho avy izahay hiaraka amin’ny vahoaka, raha afenina ao amin’ny TVM ny marina momba ny hetsi-bahoaka. Teny heno tetsy Ambohijatovo io ny sabotsy teo. Raha nijery fahitalavitra tokoa ny maro ny alin’io, dia tsy nandeha ity hambara ho fitokanana ny “Kianjan’ny demokrasia” teny Ambohijatovo ity. Midika avy hatrany izany, fa handray ny andraikiny ny mpanohitra. Mety hisy ato ho ato, fakana ankeriny io haino aman-jerim-panjakana io izay ho ataon’ny mpanohitra. Endrika efa fahita hatramin’ny nisian’ny (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 660

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS