::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 19h28  :  23°C  :  Clair de lune et nuages épars
mercredi 15 février 2012
 

 > Teny zato, kabary arivo

Tanteraho fa azo atao !

vendredi 23 janvier 2009, par Naivo kely

Raikitra ny fidinana ifotony ataon’ny fitondrana eny anivon’ny vahoaka. Fijerena mivantana ny asa tokony ho atao, mba ahafahan’ny rehetra miala ao anatin’ny fahasahiranana. Hifaninanan’ny andrim-panjakana sy ny olom-boatendry sy ny olom-boafidy ny toy izany.

Tsara tokoa ity fomba fiasa vaovao ity, satria raha tsy nidina ifotony ny filoha Ravalomanana, dia tsy nisy mpitsetra ny fanamboarana ny hopitaly etsy Befelatanana sy ny HJRA Ampefiloha. Hanara-penitra ny asa, ary maro ireo fitaovana tsy misy ao amin’ireto hopitaly ireto, na nisy fa efa simba no ho soloina vaovao. Toa nitondra fahasitranana ho an’ireo marary ny fandrenesana izany. Miara-miaky ny rehetra, fa tsy andoavam-bola ny fitsaboana tena amin’itony sehatra itony, saingy vidiana avokoa ny fanafody ampiasaina na ny trano hitoerana, raha hisafidy izany ilay marary. Midika io, fa raha tsy misy vola, dia fahafatesana no hita. Inona no sakana tsy ahafahan’ny fanjakana manome fanafody maimaim-poana ny marary ? Nahoana ihany koa raha averina indray ny fanomezana sakafo maraina, atoandro hariva ireto marary ireto ? Tanteraho fa azo atao izany, raha eo amin’ny mpitondra ny finiavana hanova.

Hiarahantsika mahita fa ny fahasalamana no voalohan-karena. Koa raha niroso amin’ny fanatsarana ny atiny sy ny ivelan’ny hopitaly ihany isika, aleo mba hitovy lenta amin’ny any ivelany ny eto an-toerana e ! Ho azo antoka fa hanana hery goavana ny vahoaka amin’ny asa izay ho ataony amin’ny fampandrosoana ny tanindrazana, ka raha sanatria marary, dia ho azo antoka fa ho tsara karakara. Izany no tena fiovana, satria vitan’ny tany aloha io, koa nahoana no tsy ho vita ankehitriny ?

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

fr 2009-01-23 06:56:56
décembre 2008   janvier 2009
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 370  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360