Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h40
 

Teny zato, kabary arivo

Mandehandeha mahita raha

mercredi 21 janvier 2009 | Naivo kely

Manomboka ny asa etsy Befelatanana. Nisento avokoa ny rehetra, tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana momba ny fanamboarana azy ity. Niara-niaky ny rehetra, fa tsy tao anatin’ny tetikasan’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny hanamboatra azy io, saingy rehefa nidina tampoka teny ny filoha Ravalomanana, dia niroso tamin’ny baiko hentitra ny hanamboarana izany hopitaly manana ny lazany izany.

Tsy ao anatin’ny tetibolan’ny minisitera taona 2009 ny fisian’ny fanamboarana azy. Eny na dia miakatra andro aman’alina aza ny teti-bola natokan’ny fanjakana ho entin’ny minisitera miasa. Vola avy any amin’ny filoham-pirenena mitentina Ar 200 tapitrisa aloha hatreto no entina hanarenana ny simba. « Izay marary andrianina », hoy ny fomba fiteny Malagasy izay. Mbola mitoetra ve io ankehitriny ? Tsia no valiny, satria izay tsy manam-bola dia eo no raisina. Misy ny ezaka izay apetraka eny anivon’ireny minisitera ireny, saingy moa mba azontsika an-tsaina no mitranga any amin’ny toeram-pitsaboana lavitra andriana rehetra any ? Ny eto an-dRenivohitra aza fahapotehana no hita. Miaiky ny rehetra fa marina ilay tenin’ny filohan’ny Nosy, ny tsy tokony hijanonan’ny tompon’andraikim-panjakana ao anaty birao lava. « Ny mandehandeha mahita raha », hoy ny fomba fiteny, koa antenaina fa raha misy ny fitsidihana matetika ataon’ireo manam-pahefana isan-karazany, dia hivaha avokoa ny olana mianjady amin’ny mponina maro isaky ny faritra. Sa tsy sahy mandray andraikitra mivantana ireny olona nomena fahefana ireny, raha tsy eo ny filoha ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS