::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 20h31  :  20°C  :  Orage
mercredi 15 février 2012
 

 > Teny zato, kabary arivo

Mandehandeha mahita raha

mercredi 21 janvier 2009, par Naivo kely

Manomboka ny asa etsy Befelatanana. Nisento avokoa ny rehetra, tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana momba ny fanamboarana azy ity. Niara-niaky ny rehetra, fa tsy tao anatin’ny tetikasan’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny hanamboatra azy io, saingy rehefa nidina tampoka teny ny filoha Ravalomanana, dia niroso tamin’ny baiko hentitra ny hanamboarana izany hopitaly manana ny lazany izany.

Tsy ao anatin’ny tetibolan’ny minisitera taona 2009 ny fisian’ny fanamboarana azy. Eny na dia miakatra andro aman’alina aza ny teti-bola natokan’ny fanjakana ho entin’ny minisitera miasa. Vola avy any amin’ny filoham-pirenena mitentina Ar 200 tapitrisa aloha hatreto no entina hanarenana ny simba. « Izay marary andrianina », hoy ny fomba fiteny Malagasy izay. Mbola mitoetra ve io ankehitriny ? Tsia no valiny, satria izay tsy manam-bola dia eo no raisina. Misy ny ezaka izay apetraka eny anivon’ireny minisitera ireny, saingy moa mba azontsika an-tsaina no mitranga any amin’ny toeram-pitsaboana lavitra andriana rehetra any ? Ny eto an-dRenivohitra aza fahapotehana no hita. Miaiky ny rehetra fa marina ilay tenin’ny filohan’ny Nosy, ny tsy tokony hijanonan’ny tompon’andraikim-panjakana ao anaty birao lava. « Ny mandehandeha mahita raha », hoy ny fomba fiteny, koa antenaina fa raha misy ny fitsidihana matetika ataon’ireo manam-pahefana isan-karazany, dia hivaha avokoa ny olana mianjady amin’ny mponina maro isaky ny faritra. Sa tsy sahy mandray andraikitra mivantana ireny olona nomena fahefana ireny, raha tsy eo ny filoha ?

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

fr 2009-01-21 06:39:43
décembre 2008   janvier 2009
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 376  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360