Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 16h04
 

Teny zato, kabary arivo

Mitomany ny faritra

jeudi 22 janvier 2009 | Naivo kely

Tonga ny rivo-doza, ary manomboka manimba zavatra maro amin’ny toerana izay lalovany, ka mampitondra takaitra ny vahoaka maro. Potika ny trano sy ny tetezana tany amin’ny faritry Menabe, ary toy izany ny any Sava. Manomboka misy ny tra-boina, ary mandray ny andraikiny ny eo anivon’ny BNGRC.

Miakatra ny rano, ary manomboka hita ny fahapotehan’ny voly isan-karazany. Tsy mbola misy ny aina nafoy, izay isaorana ilay nahary, fa ny biby fiompy kosa no voalaza fa nisy lasan’ny rano. Na eo aza izany, dia tsy kivy tsy ketraka ny mponina fa mitraka hatrany. Manomboka aparitaka any amin’ireo olona efa tra-boina ankehitriny ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana, toy ny sakafo sy ny fanafody. Andro maromaro mialohan’izao fahatongavan’izao rivo-doza izao no efa niomana mialoha ny sehatra iray miahy amin’ny loza voajanahary toy izao. Efa maro ny trano lay naparitaka eran’ny faritra, ho fiomanana mialohan’ny loza.

Mifantoka any amin’ity rivo-doza ity avokoa ny mason’ny rehetra. Rariny izany, satria loza mihatra amin’ny firenena. Tsy apetraka ho andraikitry ny fanjakana samy irery anefa ny fisorohana ny loza fa manana andraikitra goavana lehibe amin’io ny isam-batan’olona. Ny haino aman-jery isan-karazany. Aoka mba omena sehatra amin’ny fampahalalàna vaovao ny vahoaka, fa tsy dia ny resaka politika izay manimba hatrany no omena sehatra isan’andro. Izay ilay andraikitra fanabeazana sy fitaizana eo amin’ny fahampahalalam-baovao isan-karazany. Mitomany tanteraka ny faritra maro noho iny rivo-doza iny, izay tsy ho vita ao anatin’ny fotoana fohy ny fanarenana ny simba.

Midika izany, fa ho sasatry ny manarina hatrany isika isan-taona izao. Antenaina fa tsy hanampy trotraka ny fahasimbana ny “rivo-doza politika” izay toa miha-mahazo vahana eto amin’ny firenena. Zava-droa loha samy hafa nefa sahala ireo. Samy manimba ny toe-karena avokoa ireo, ka samia mitandrina, fa ny nitranga teo aloha aza efa nanenenana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS