::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 15h19  :  27°C  :  Soleil et nuages épars
mercredi 15 février 2012
 

 > Teny zato, kabary arivo

Mitomany ny faritra

jeudi 22 janvier 2009, par Naivo kely

Tonga ny rivo-doza, ary manomboka manimba zavatra maro amin’ny toerana izay lalovany, ka mampitondra takaitra ny vahoaka maro. Potika ny trano sy ny tetezana tany amin’ny faritry Menabe, ary toy izany ny any Sava. Manomboka misy ny tra-boina, ary mandray ny andraikiny ny eo anivon’ny BNGRC.

Miakatra ny rano, ary manomboka hita ny fahapotehan’ny voly isan-karazany. Tsy mbola misy ny aina nafoy, izay isaorana ilay nahary, fa ny biby fiompy kosa no voalaza fa nisy lasan’ny rano. Na eo aza izany, dia tsy kivy tsy ketraka ny mponina fa mitraka hatrany. Manomboka aparitaka any amin’ireo olona efa tra-boina ankehitriny ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana, toy ny sakafo sy ny fanafody. Andro maromaro mialohan’izao fahatongavan’izao rivo-doza izao no efa niomana mialoha ny sehatra iray miahy amin’ny loza voajanahary toy izao. Efa maro ny trano lay naparitaka eran’ny faritra, ho fiomanana mialohan’ny loza.

Mifantoka any amin’ity rivo-doza ity avokoa ny mason’ny rehetra. Rariny izany, satria loza mihatra amin’ny firenena. Tsy apetraka ho andraikitry ny fanjakana samy irery anefa ny fisorohana ny loza fa manana andraikitra goavana lehibe amin’io ny isam-batan’olona. Ny haino aman-jery isan-karazany. Aoka mba omena sehatra amin’ny fampahalalàna vaovao ny vahoaka, fa tsy dia ny resaka politika izay manimba hatrany no omena sehatra isan’andro. Izay ilay andraikitra fanabeazana sy fitaizana eo amin’ny fahampahalalam-baovao isan-karazany. Mitomany tanteraka ny faritra maro noho iny rivo-doza iny, izay tsy ho vita ao anatin’ny fotoana fohy ny fanarenana ny simba.

Midika izany, fa ho sasatry ny manarina hatrany isika isan-taona izao. Antenaina fa tsy hanampy trotraka ny fahasimbana ny “rivo-doza politika” izay toa miha-mahazo vahana eto amin’ny firenena. Zava-droa loha samy hafa nefa sahala ireo. Samy manimba ny toe-karena avokoa ireo, ka samia mitandrina, fa ny nitranga teo aloha aza efa nanenenana.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

décembre 2008   janvier 2009
L Ma Me J V S D
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 499  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360