::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 03h55  :  19°C  :  Clair de lune et nuages épars
jeudi 16 février 2012
 

 > Teny zato, kabary arivo

Very ny hasina maha-malagasy

mardi 20 janvier 2009, par Naivo kely

Manimba zavatra ny politika. Tafiditra lalina amin’io anefa isika eto an-dRenivohitra, ary mifampiahiahy avokoa ny mpiara-belona rehetra. Fomban-javatra io, satria na ny mpivady aza tsy miray fandriana rehefa samy manana ny firehana arahiny ny andaniny sy ny ankilany.

Ny tena mampalahelo tao anatin’izay andro vitsivitsy izay, dia ny fahaverezan’ny soa toavina maha-malagasy sahady eo amin’ny ankolafin’olona sasany. Voaivaiva ny raiamandrenin’ny firenena, dia ny filoha Ravalomanana izany. Nahetrin’ny sasany ambany ny haja sy voninahitry ny firenena. Endrika iray, izay hilazana ny tsy fisian’ny fahamatoran’ny toe-tsaina ny toy izany. Tsarovy, fa na inona tsy fitoviam-pijery politika eto, dia mbola Ravalomanana ny filoham-pirenena, ary raiamandrenin’ny Malagasy rehetra. Tsy ho diso isika raha mametraka hatrany ny haja ho an’izany raiamandreny izany.

Toy izany koa ny mpomba ny ankilany. Izany ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra izany, dia manana anjara lehibe hitondra ny tanàna sy ny fiainam-bahoaka ao aminy. Manana ny fomba fijery manokana izay tsy hitoviany amin’ny mpitondra izy. Tsy izay no entina hanambaniana ity ben’ny tanàna ity eo amin’ny lafiny maro. Ny hevitra no tsy mitovy, fa ny ra maha-malagasy ao amintsika rehetra. Nahoana no vingavingain’ny hafa ihany koa ity ben’ny tanàna ity ? Omeo ny haja amam-boninahiny ireo olona roa tsy mitovy fomba fijery ireo. Zaran’ny hafa aza isika hifanebaka am-pitoerana eto, ka hiafara amain’ny ady an-trano, mba ahamora ny hanjanahana antsika amin’ny lafiny maro. Dia ho sanatria ve hitovy amin’ireo tany atsy Afrika hanjakan’ny vono olona sy ny ady an-trano ny eto an-dRenivohitra, izay efa mitady ahazo vahana any amin’ny faritra samy hafa ? Miankina amintsika mianakavy ny hipetrahan’ny fampanjakana ny fifanajana, na dia ao aza ny fomba fijery samy manana ny azy. Aleo haka anjorom-bala ny tendrom-po tsy mba namana sao hanenenana atsy ho atsy.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

fr 2009-01-20 06:37:32
décembre 2008   janvier 2009
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 67  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360