::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 17h11  :  18°C  :  Soleil et nuages épars
mercredi 30 mai 2012
 

 > Malagasy

Faritra iva

Milaza ny heviny ireo mponina

vendredi 23 janvier 2009, par Naivo kely

“Avelao ho an’ny mpanao politika ny tolona izay tiany atao, fa avelao izahay hitady sakafo”. Teny hentitra nataon’i Rampanoelina, mipetraka etsy 67ha Atsimo io. “Tsy rototra amin’izay tranga miseho izahay, satria tsy hisy hanome sakafo anay ireo raha tonga eo amin’ny tanjona iriany. Ny hatsembohanay hatrany no nisian’ny sakafo ao anaty vilaninay, fa tsy misy mana avy any an-danitra”.

“Tsy hampiova ny fiainanay dimy mianaka ny fitarihana olona hirotaka etsy Ambohijatovo”. Io no nambaran-dRasoarinoro Hanta, mpivarotra zava-pisotro etsy Andohatapenaka, akaikin’i trano fiasan’i Me Avoko. “Ny fanadiovana ny faritra misy anay aza tsy misy mpijery rehefa tonga teo amin’ny fitondrany ireo mpitondra nifanesy”.

“Aleo hitolona ny olona, fa io no làlan’ny fiovana. Tsy matahotra ny fiovana izahay”, hoy i Zoliarimanana, mpivarotra hani-masaka etsy 67ha akaiky ny Paositra. “Leo ny fanamparam-pahefana izahay, ka rariny raha tonga maro toy ireny tamin’ny sabotsy ireny ny vahoaka”.

“Mankaleo ny korontana, satria hisy fiantraikany amin’ny asa ataonay eto Namehana izany fitarihana vahoaka hanao hetsika andalam-be izany”. Ra-Hery mpanamboatra fiara etsy Anosibe no nanambara io. “Mba ataovy anatra ny tranga miseho any ivelany, izay potika ny androatokon’ny toe-karena ao aminy. Aleo hanaja raiamandreny ity zandry kely ity, fa sao hanenenana”.

“Maha-menatra ahy ny ataon’ilay milaza ho mpanao gazety vehivavy ao amin’ny radio Viva. Hita mihitsy fa mpitolona fa tsy mpanao gazety izy io, ka tsy ho gaga raha noroahin’ny tompon’ny haino aman-jery niasany teo aloha. Mba mahaiza manaja olona ianao ramatoa kely, fa raiamandrenin’ny firenena ny filoha Ravalomanana”. Io no teny henjana nataon’i Fanohery ao Ambodin’Isotry, mpivaro-kena, akaikin’ny tetezan’i Bekiraro.

Ireo ny hevitry ny olona voaray teto amin’ity gazety ity, izay ninianay nofintinina ihany.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 290  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360