::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 03h55  :  14°C  :  Clair de lune très nuageux
mardi 29 mai 2012
 

 > Malagasy

Gisèle Rabesahala

« Hanjakan’ny be marenina ny tanàna »

jeudi 22 janvier 2009, par Naivo kely

“Minia manampi-tsofina ny fanjakana foibe manoloana ny sakantsakana ataony amin’ny kaominina eto Antananarivo-Renivohitra, ka eo no mahatonga ny fihetseham-bahoaka ankehitriny. Azo atao tsara anefa ny misoroka izany, raha toa ka navela hiasa am-pilaminana ny ben’ny tanàna. Efa ela no tsikaritra io fifandonana teo amin’ny mpitondra sy ny kaominina io, ary tsy nety niravona ny olana. Tsy ho gaga isika raha vahoaka maro be no tonga nihaino ny ben’ny tanàna ny sabotsy lasa teo, satria hetsika ho fanaporofoana iny, fa misy fitakiana ataon’ny ankamaroan’ny Malagasy eto. Ny endriky ny sakantsakana sy ny fanapenam-bava atao amin’ny sehatra maro no anton’iny”, hoy ramatoa Gisele Rabesahala.

Ilaina ny nametrahana iny kianjan’ny demokrasia iny, mba ahafahan’ny rehetra miteny sy maneho hevitra. Raha kobonina hono ny alahelo, dia miteraka zava-doza.

“Mbola hihenjana amin’ireny hetsi-bahoaka ireny ve ny fitondrana ?”, hoy ity mpanao politika ity. Aoka hipetraka ny fihainoana, fa tsy hanao be marenina. Tsapa fa mitombina avokoa ny fitakiana ataon’ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina sy ireo vahoaka maro tonga teny Ambohijatovo. Ny fanatanterahana azy sisa andrasana.

Lalàna hifehy ny antoko politika

Momba ny fandaniana ny lalàna hifehy ny antoko politika eto amintsika kosa, dia tsy mankasitraka iny Rtoa Gisèle Rabesahala. Ny antony, dia tokony hanana zo hilatsaka ny Malagasy rehetra. Tsy tokony ho ferana ihany koa ny fanaovana kongresy, na folo taona na latsaky izay. Ny antony, dia manana ny fitsipika hitondrany azy ny antoko isan’isany, fa tsy ho ferana tsy maintsy hanao izany isaky ny telo taona. “Tsy ny antoko TIM izay vao niforona omaly”, hoy ihany ity mpikambana ao amin’ny Akfm ity, no ahafehy ny fanaovana politika eto Madagasikara”. Aminy dia tokony nisy ny fiarahana nidinika teo amin’ny lafin-kery samy hafa nentina namolavola izany sata hifehy ny antoko politika izany, fa tsy olona notsongaina toy ny hita teny Iavoloha farany teo.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 72  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360